“Fitoniana sy filaminana no tadiavin’ny vahoaka malagasy, ka tsy ekena ny filalaovana ny fiainam-pirenena noho ny tombontsoa manokana”, hoy ny fanambaran’ny Antenimierandoholona nentin’ny filohany, Razafimahefa Herimanana, teny amin’ny Lapan’Anosikely, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaha, fikononkononana fitsipaham-pitokisana saika hatao tamin’ny governemanta tamin’ny fanangonan-tsonia.
Manoloana ny toe-draharaha politika misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, izahay loholon’i Madagasikara dia miantso ny rehetra mba hametraka ny tombontsoam-pirenena ho ambonin’ny zavatra rehetra. Efa nahazo ny fitokisan’ny mpiara-miombon’antoka na eto an-toerana na avy any ivelany ny fitondram-panjakana, ka samy tokony haneho fitiavan-tanindrazana sy hanampy ny filohan’ny Repoblika amin’ny asa fampandrosoana tanterahiny.
Ny loholon’i Madagasikara dia mitsipaka marindrano ny fanakorontanana ny firenena ary miantso ny vahoaka malagasy hiray hina hatrany amin’ny asa fampandrosoana, mankahery sy miombom-po tanteraka amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny asa fampandrosoana azo tsapain-tanana ataony. Masina ny tanindrazana.
R. Nd.




