Antoko Fiombonana : “Misy tsy fahalavorariana matoa misy fitsipaham-pitokisana”

“Rehefa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, miafara amin’izay fitsipaham-pitokisana izay”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Reto­gniane Durlin, manoloana ny fitsipaham-pitokisana ny go­ver­nemanta nokasain’ny eo anivon’ny Antenimieram­pi­renena hatao fa nandamoka. Matoa misy ny fitsipaham-pitokisana toy izao ary tsy vao izao i Madagasikara no niaina an’izany, misy ny karazana tsy fahalavorariana eo amin’ ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny asany.
Misy olana ve eo amin’ny governemanta sy ny parlementa? Ao ny milaza fa misy fanondikondinam-bola ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Sao ny fahafantaran’ny governemanta ny fisian’izay no nahatonga aloha ny an’ny parlemanta amin’ny raharaha fitsipaham-pitokisana?

Misy fiavahana ny eo anivon’ny governemanta
Mivaha tanteraka ny eo anivon’ny governemanta, fa misy fiavahana. Eo ny ekipa manohana sy miaraka amin’ ny filohan’ny Repoblika izay TGV hiringiriny, angamba, ary misy ny ekipa miaraka amin’ny Praiminisitra izay voakasik’iny fitsipaham-pitokisana iny. Tsy azo lavina, misy minisitra eo ambany fiahian’ny Primatiora.
Aza hadinoina fa roa loha ny mpanatanteraka eo amin’ny rafi-panjakana. Misy ny governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra ary misy ny filohan’ny Repoblika. Koa sao ny politikan’ny filohan’ny Repo­b­lika sy ny an’ny Praimi­nisitra no mifanipaka amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena?
“Efa tsy ho ela rahateo ny fifidianana ary efa nandeha ny resaka fa mety hirotsa-kofidina ny Praiminisitra”, hoy izy. Sao mametraka ankolafiny roa izany amin’ny politikan’ny fitondrana, ka manahirana ny ekipan’ny IRD, indrindra ireo TGV hiringiriny miaraka sy manohana ny filoha Rajoelina.

R. Nd.

Partager sur: