Fanenjehana ireo mpitondra teo aloha: vonona haka fanapahan-kevitra ireo depiote

Tapa-kevitra tanteraka. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny momba ny fanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha.

Hanao tatitra amin’ny depiote ny vaomiera miandraikitra ny fa­nen­jehana ireo tsimatimanota eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ) eny Tsimbazaza, ny alakamisy 15 desambra izao. Tapaka tamin’ny fivorian’ireo depiote ny herinandro teo izany. Nambaran’izy ireo fa vonona ny hiroso amin’ny dingana ahafahana manenjika ireo minisitra miisa telo teo aloha ireo solombavambahoaka. Hotapahina amin’io fanaovana tatitra io ny handefasana na tsia eny amin’ny HCJ ny momba ireo mpitantana teo aloha, ahina ho nanodinkodim-bola sy nanao kolikoly teto amin’ny firenena.
Tsiahivina fa efa intelo nentina tamin’ny fivoriana ara-potoana tahaka izao ny fankatoavana na tsia io fanenjehana mpitondra ambony io saingy rava maina hatrany. Tsy nahatratra ny fetrisa ahafahana manao izany noho ny havitsin’ireo depiote tonga miatrika ny fivoriana. Tanterahina amin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana tahaka izao ihany izany, araka ny voalazan’ny lalàna.

Antso avo nataon’ny depiote Tsabotokay
Etsy andaniny, efa nanao antso avo matetika ny filohan’ny vaomieran’ny fanenjehana ireo mpitondra, ny depiote Tsabotokay Honoré, ny amin’ny tokony ahatongavan’ireo depiote maro amin’ny fivoriana tokony handinihana ny momba izany.
Andrasana, araka izany, na ho feno araka ny fetrisa ireo hanaraka ny tatitry ny asa ataon’ny vaomiera sy ny hakana fanapahan-kevitra momba izany.

Synèse R.

Partager sur: