Hopitaly CHRR Ambositra: mitondra ny anaran’ny Dr Ralalaonirina

Niova ho CHRR Ralala­o­nirina Andriantsiferana Ram­panjato nanomboka ny asabotsy 9 desambra teo ny hopitalibe ao Ambositra. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny tale jeneralin’ny Serasera, Raza­fia­rison Francis. Nam­barany ny maha zava-dehibe ny fanomezana anarana na fanavaozana izany amin’ny fotodrafitrasa tahaka izao sy ny fihainoana ny hevitry ny any ifotony. Nivoitra tamin’ny lahateny ny nampiavaka ny Dr Rala­laonirina, fahavelony. Eo ny fahafoizan-tena, fandavan-tena, fiatrehany ny marary amin’ny fotoana rehetra. Nanamarika izany avokoa ireo tompon’andraikitra ny solontenan’ny ben’ny Tanàna sy ny solontenan’ny governora.
Mpikambana MFM
Nitarika azy tamin’ny aretina izany ezaka lehibe sy ny toetrany izany ka nodimandry teo amin’ny faha 55 taonany, ny 23 avrily 1971. Niady mafy ny vadiny, (efa nodima­ndry koa) ny hanomezana ny anarany io hopitaly io, nefa tsy tody izany raha tsy izao. Nisaotra ny fitondrana Rajoe­lina sy ny minisiteran’ny Se­ra­sera ny fianakaviana sy ny tompon’anarandray.
Tsiahivina fa mpanao politika nijoro, niady ny ho an’ny madinikia koa Dr Ralalao­nirina ary mpikambana mafana fo tao amin’ny antoko MFM. Efa depiote voafidy indroa misesy nisolo tena ny vahoakan’ Am­bositra izy ( 1983 – 1991, taona nahafatesany.

Synèse R.

Partager sur: