Tselatra

Voasambotry ny polisy, afakomaly, teny Androhibe ireo roavavy mpanao « certificat de négativité test PCR Covid19 » hosoka. Amidy 250.000Ar ny iray amin’izany ka ireo vahiny no betsaka manatona azy roa. Fantatra fa mpiasan’ny “Institut d’hygiène” Analakely tamin’ny andron’ny hamehana ara-pahasalamana ireto roavavy ireto ary nifindra teny amin’ny LA2M Androhibe ny volana may 2021. Nanom­boka teo ny asa ratsiny ka nampiahiahy ny lehibeny izany. Mampiasa fitomboka hosoka izy ireo hanaovany izany taratasy izany.

Partager sur: