Fizalaotra – Toamasina : mifanampy amin’ny sosialy sy toekarena

Nifoha tamin’ny torimasony, raha somary nisedra olana sy nangingina ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ Am­batondrazaka, Andilamena ary Amparafaravola, amin’ny hoe Fizalaotra ka monina eto Toamasina. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny efitrano malalaky ny tobin’ny zandary amoron-dranomasina ny fivoriambe nandaniana ny sata sy fitsipika vaovao mifehy ny fikambanana ary taorian’ izay, natao ihany koa ny fifidianana birao vaovao.
Sata sy fitsipika vaovao, mifantoka indrindra amin’ny fifanampiana ara-tsosialy sy toekarena. Ohatra mifanampy amin’ny lafiny fahasalamana sy fianarana.  Mifanome tanana amin’ny fitadiavana lalam-barotra. Lany ho filoha hitarika ny fikambanana, Andria­ma­toa Rasamison, mpiasam-panjakana misotro ronono. Mampiavaka ity sata vaovao ity, misy ny filohan’ny fikambanan-dRaiamandreny mba ho arofenitra, napetraka ho filoha lefitra mitarika ny Fizalaotra. Marihina fa misy 430 izao ny isan’ny mpifidy manana ny karatra maha mpikambana eto Toamasina.

Sajo

Partager sur: