Antoko Tsara Tahafina : ho kandidà filohan’ny Repoblika i Paraina Auguste

Ho kandidà filohan’ny Re­po­blika amin’ny fifidianana manaraka eo ny filoha nasionalin’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste, araka ny fa­nambarana ampahibemaso na­ta­on’ny antoko tarihiny, tany Vangaindrano, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Ta­min’izany rahateo no nanambarana ny fijoroan’ny antoko politika Tsara Tahafina. Fan­ta­tra fa tamin’ny 14 desambra la­sa teo no nahazo fankatoavana tany amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny antoko, izay misafidy ny demokrasia liberaly ary manasongadina ny hoe fakan-tahaka sy ny fahaiza-mitantana ary ny fanjakana tan-dalàna. Fi­lamatry ny antoko ny hoe: “Repoblika mendrika, ara-drariny sy tompon’andraikitra”.
“Hifantoka betsaka amin’ny fiainan’ny tantsaha sy ny fiainan’ny ambanivohitra ny ezaka amin’ny fampandrosoana, izay vao hiakatra ity firenena ity”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko, ny so­lo­m­bavambahoaka voafidy tany Vangaindrano, Raharisoa Joha­sy Eléonore, tamin’izany. Ankoatra ny sehatry ny fampianarana, anisan’ny imasoan’ ny antoko koa, ohatra, ny fandrindrana ny faritra. Izay no hampisy Repoblika mendrika, ara-drariny sy tompon’andrikaitra. Tokony hitovy tantana ny faritra rehetra, ary hasongadina amin’izany ny faritra manana ny fizakan-tenany sy manana fahefana eo an-tanany.

R. Nd.

Partager sur: