Fifampiraharahana no nahazoana ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, fa tsy ny fijoroan’ny Repoblika tamin’ny 14 oktobra 1958. Nisy ny fivoriana fahenina nataon’ny Filankevitra mpanatanteraky ny lafintany mpikambana ao amin’ny fiombonambe frantsay, tany Saint-Louis, Sénégal, ny desambra 1959. Tamin’izany, naneho ny heviny ny amin’ny fahaleovantenan’ ireo fanjakana mpikamban’ny fiombonambe frantsay ny jeneraly Charles de Gaulle. Anisan’ny tao anatin’izay i Madagasikara. Manoloana izany, nohararaotin’ny filoha Tsiranana Philibert noresahina izay hahazoana ny Fahaleovantena feno sy tanteraka ho an’i Madagasikara. Nangatahiny ny mba hananan’ny parlemantera malagasy fahefana ilaina hanomanana ny Fahaleovantena.
Nitarika ny delegasionina malagasy tamin’ny famindram-pahefana sy ny fiaraha-miasa, Frantsay-Malagasy, tany Paris, Frantsa, ny filoha Tsiranana, ny 10 febroary 1960. Vita rangopohy tany Paris izany, ny 2 avrily 1960, ary natao sonia teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny 26 jona 1960. Nanao sonia azy ny filoha Tsiranana sy ny sekreteram-panjakana misahana ny fifandrasaina amin’ ireo fanjakana mpikambana ao amin’ny fiombonambe amin’ i Frantsa, i Jean Foyer. Taorian’izay, ny 26 jona 1960 ihany, nanambara ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, teo ambony vatomasina, Mahamasina, ny filoha Tsiranana, notronin’ny sekreteram-panjakana, Jean Foyer.
Ny 29-31 jona vao nisy ny fankalazana tamin’ny fomba manetriketrika ny Fahaleovantenam-pirenena: matso lehibe nataon’ny Foloalindahy, matso ho an’ny hery velona, fizarana fanampiana ho an’ny sahirana, lalao ho an’ny ankizy, podium…
R. Nd.





