Hiavaka hatramin’ny farany ny fampirantina “Cellules humaines, c’est lui l’humain”. Tanterahina eny amin’ny “Fondation H” Andraharo Antananarivo, ny alarobia 21 desambra 2022, ny lanonana famaranana ny fampirantinan’i Olivia Bourgois, mampiseho ny dingana sy ny lalam-piainan’ny olombelona amin’ny alalan’ny fako. Ireny no natambatr’i Olivia nahazoana singa nandravahana ny fampirantina. Hisy ny […]
Mois : décembre 2022
FCDR – SR Production : raketina an-tsarimihetsika ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka
Nambara, omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona fa : «Goavana ny tetikasa iarahan’ny tranom-pamokarana horonantsary sy sarimihetsika SR Production sy ny fikambanambe Fondation Céline et Didier Ratsiraka (FCDR)». Horaketina an-tsarimihetsika mitohy ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ary vinavinaina ho tafavoaka amin’ny faran’io taona ho avy io ny andiany voalohany. Horonantsary […]
Fakafaka: Nanova zavatra tokoa ny soratra !
Fahiny fahagola, tsy mba nampiasa soratra an-taratasy ny Malagasy fa nanaja fatratra kosa ny teny nifanaovana. Antony maro sy mafonja ny nahatonga izany. Tao ny tsy fisian’ny soratra. Tahotra an’Andriamanitra Andriananahary. Tahotra ny tody sy ny tsiny ary ny ozona. Fifamatorana sy fihavanana tsy tiana ho rava… Niova tsikelikely izany […]
Hiverina an-tsehatra … :“Efa misy tetikasa ato ho ato”, hoy i Lalie
Aman-taonany maro no tsy niaka-tsehatra i Lalie. Tsy niala lavitra tamin’ny mozika anefa izy nandritra izany. Tapa-kevitra ny hiverina tanteraka kosa ity mpanakanto ity amin’izao… “Amin’io seho io no ahitantsika taratra ny tohiny”, hoy i Lalie. Fampisehoana izay hataony ny zoma 23 desambra izao, etsy amin’ny Le Galet Manakambahiny io […]
Sendikan’ny mpiasa Saps : “Takinay ny hialan’ny tale jeneralin’ny Instat”
Tonga amin’ny tsy azo anoharana intsony ny fitakiana. Naneho ny heviny, momba ny olana eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (Instat) ny “Syndicat autonome du personnel de la statistique- Saps”, ny zoma teo. Nohitsin’izy ireo fa tsy miaro velively ny tale jeneraly ity sendika ity. “Ao an-damosin’ireo mpiasa niharan’ny antsojay […]




