Mois : décembre 2022

Behoririka : teratany karana iray maty voatifitra

Voatafika ny teratany karana mivady, omaly, tetsy Behoririka. Maty voatifitra rangahy, maratra mafy ramatoa. Nirefodrefotra ny basy, omaly, tetsy Behori­rika. Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny mpivady teratany karana monina eny an-toerana. Voatifitra teo amin’ny tratrany ilay lehilahy raha naratra kosa ramatoa vadiny. Omaly atoandro tokony tamin’ny 01 ora teo, tonga tao […]

Mandritsara : nakatona ny kariera ao Sahatona

Taorian’ny raharaha na­fana tao amin’ny kariera ao Sahatona, kaominina Ando­ha­jango, herinandro vitsy lasa izay. Tapaka taorian’ny fivorian’ny OMC, afakomaly, fa hakatona ity karieram-bolamena ity. Araka izany, nomena 45 andro ireo olona rehetra ao an-toerana hiomana sy handao izany. Noraisi­na ity fepetra ity hisorohana ny korontana misesisesy izay miteraka tebiteby amin’ireo […]

Toamasina: jiolahy tratra nangalatra gana tao amin-dry Mompera

Asa avy hatrany! Nan­dray ny andraikiny hametraka fandriampahalemana ma­haritra ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny talem-paritry ny filaminana anatiny Atsi­nanana, ny kaomisera Rako­tovao Jean Christian amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona, hiandrasana ny taona vaovao izao. Nidina nihazo ny lalam-pasika, nitarika fi­safoana izy ny zoma alina teo hatramin’ny […]

Opération coup de poing: tratra ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, afakomaly maraina, teny Ma­roroho Tsimbazaza, ireo telo lahy mpanao trafikana rongony sady mifoka. Nandritra ny hetsika « opération coup de poing » ataon’ny polisy ma­noloana ny trangana tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina no nahatrarana ireto tambajotra mpanao trafikana zava-ma­hadomelina […]

Sambava : Polisy monisipaly iray maty voafaokan’ny fiara

Tsy tana ny ain’ny iray tamin’ireo polisy monisipaly voafaokan’ny fiara tra-doza iray tao amin’ny RN5a, PK 385 + 850 tao amin’ny fokontany Sambava Centre, omaly maraina. Nisy olana tampoka teo amin’ny familiana, ni­fatratra tamina polisy monisipaly nanatontosa ny fivondronana rehefa fiatombohan’ny herinandro tao amin’ny Fokontany Sam­bava Centre ny fiara kely […]