Mois : décembre 2022

Rio Tinto QMM : mifampiraharaha amin’ireo manana olana ara-tany

Ny 12 desambra 2022, nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Rio Tinto QMM niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpanjono sy ny mpampanofa fitaovana (usufruitiers). Izany dia tafiditra amin’ny fifanarahana vita sonia, ny 20 mey 2022, niaraka tamin’ireo ma­nam-pahefana sy ny solontenan’ny mpanao fitarainana. Nanaiky ireo mpanjono sy ny hafa hanomboka ny fifampiraharahana. Fanambarana […]

Sainte -Marie : hamafisina ny fiofanana fandraisam-bahiny

Notokanan’ny Vatel Ma­da­gascar, any Sainte Marie, ny 10 desambra 2022 teo, ny foibe fanofanana momba ny asa mifandray amin’ny fandraisam-bahiny anatin’ny ho­tely, mitondra ny anarana «Fanorona» : mpahandro, mpandray vahiny, mpikarakara efitrano, mpandroso sakafo. Telo volana ny faharetan’ny fiofanana, fianarana sy fampiharana . Ny fianarana dia ao amin’ny foibe Ceta­mada , […]

Tsy nahomby ny fitantanana :«Mitentina 780 miliara Ar ny devizy volamena tsy hita», hoy ny Fitsarana ny kaonty

Voalaza fa voarara ny fanondranana volamena mankany ivelany, nanomboka ny oktobra 2020. Araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty anefa, misy ny tarehimarika voarain’ny sampana fadintseranana fa naondrana any ivelany, ary misy koa etsy andaniny ny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021. Nanao tatitra ny […]

Johannesburg : nodinihina ny ady amin’ny fanararaotana anaty internet

Notanterahina tao Johan­nes­burg, renivohitr’i Afrika Atsimo, ny 8 hatramin’ny 10 desambra lasa teo, ny atrikasa mahakasika ny tetikasan’ny firenena afrikanina entina miady amin’ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ireo ankizy amin’ny alalan’ny internet. Nodinihina ny paikady mifanandrify amin’izany ary ny fametrahana sori-dalana enti-miady amin’izany aty Afrika. Nisy ihany koa ny fifanakalozana sy […]

Fokontany 100 any atsimo : isaina ireo mpifindra monina

Hotanterahina manomboka tamin’ity herinandro ity ny fanangonam-baovao mikasika ireo mpifindra monina ao amin’ny fokontany 100, avy amin’ny kaominina 20 ao amin’ny distrika efatra any atsimon’ny Nosy (Amboa­sary, Ambovombe, Ampanihy Andrefana ary Tsihombe). Hanaovana tatitra momba ny fifindra-monina izay hivoaka mialohan’ny faran’ity taona ity no tanjona amin’ny fidinana ifotony sy ny […]