Nizotra araka ny tokony ho izy, ny asabotsy sy alahady lasa teo, ny hetsika “ligue en fête”, nokarakarain’ny ligin’ Analamanga, namaranan’izy ireo ny taom-pilalaovana 2022. Fiarahana nifety am-basikety, niarahan’ny fianavakaviamben’ny ligin’ Analamanga ny nanamarihana io roa andro teny Ankatso io, izay nambaran’ny filohany, Andriatsima Hery, fa tratra ny tanjona napetraka. […]
Mois : décembre 2022
Kitra – «Chan 2023»: hanoman-tena any Tonizia ny Barea de Madagascar
Efa ao anatin’ny fampivondronana, amin’izao fotoana izao, ny Barea de Madagascar hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. 32 ireo mpilalao miatrika izany. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, eny amin’ny ivontoeram-piofanana eny Carion, ny fanomanan-tenan’ny Barea de Madagascar, ho an’ny fiadiana ny ho […]
“Gospel Song competition” : Raikitra ny famaranana…
Hotanterahina ny alahady izao eny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny famaranana fifaninanan-kira “Gospel Song competition”, ho an’ny eny Atsimondrano. Hifaninana amin’izany ireo antoko mpihira miisa valo nisafidy ny hanao Gospel raha hanao ny “Open” kosa ireo antoko mpihira valo hafa. Hifaninanana amin’izany ny hira iray noforonina ary ny iray hira […]
Fiarovana ny tontolo iainana : hamoaka mpikabary ny Club Vintsy Famelona
Mihasimba ny tontolo iainana. Mila sahy sy mahay mandaha-teny ary maharesy lahatra ny fanarenana sy fiarovana ireo sisa tsy rava. Mila asandratra sy omen-danja sy hasina ny kolontsaina malagasy. Ireo mitambatra no anisan’ny nanosika ny Club Vintsy Famelona, ao amin’ny departemanta jeografia, fakiolten’ny teny aman-tsoratra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo hivoy sy […]
Kolontsaina Malagasy: mampahafantatra ny vakoka nentim-paharazana i Lovatiana Harinaivo
Mampiavaka ny firenena iray ny kolontsaina ananany. Maro ny firenena manary ny kolotsainy sy ny hasiny manoloana ny fanatontoloana. Maro koa anefa ny firenena mandroso miaraka amin’ny fanajana ny kolontsainy. Ao anatin’ny famerenan-kasina sy fampianarana ny fomba amam-panao sy soatoavina malagasy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy […]




