Mois : décembre 2022

CUA : 200 ireo polisy monisipaly horaisina

Handray mpiasa vaovao 200 amin’ireo 400 mifaninana, polisy monisipaly, ny eo anivon’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA). Nisy ny fanadinana am-bava, nataon’ireo mpiadina ireo, teny amin’ny lapan’ny Ta­nàna Analakely, omaly. Raha ny fanazavana voaray, 33 ny isan’ireo vehivavy nisoratra anarana, nifaninana, tamin’izany. Nozaraina efatra kosa teo amin’ny adina am-bava, izay mitsinjara […]

CUA-OIF : ankizy 12 000 hisitraka kopia

Hamatsy vola ny fanomezana kopia faobe ho an’ny ankizy 12 000 ato anatin’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra ny OIF. Taorian’ny fandalovan’ny sekretera jeneralin’ny OIF teto Antananarivo, telo volana lasa ka nanatrehany ny fizarana kopia ho an’ny kilonga, nanambara izy fa tokony hotohizana ny ezaka vita ka nitarika izao fanaovan-tsonia fanatanterahana […]

Tsena Analakely: hiverina hisokatra ireo “pavillon” nakatona

Afaka miverina amin’ny asany amin’izay ireo mpivarotra eny amin’ny “pavillon” Analakely. Nisaotra an’Andriamatoa Andriantsitohaina Naina, ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny solon-tenan’izy ireo. Manomboka mahazo mivarotra amin’izay ireo toeram-pivarotana “Pavillon” fito nakatona ao Analakely. Tonga nanolotra ny fisaorana ho an’Andriamatoa Naina Andriantsitohaina, Ben’ ny tanànan’Antananarivo, tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, omaly talata, […]

Handball – «IHF Trophy»: nahemotra amin’ny janoary ny fifanintsanana

Noho ny antony fikarakarana, voatery hahemotra amin’ny volana janoary 2023, ny fifanintsanana kaontinantaly, taranja handball “IHF Tro­phy”, ho an’ny sokajy zandriny U20 lehilahy. Araka izany, ny 16 ka hatramin’ny 20 janoary ho avy izao, no hanatontosana izany any Kongo Brazzaville. Efa fantatra avokoa mantsy ireo tompondaka isam-paritra. Ginea, ho an’ny […]