Hiditra amin’ny andiany faharoa ilay hetsika « Folle semaine de Noël », karakarain’ny Institut Franco-Malagasy sy ny Fondation Akbaraly. Nampahafantatra ny hetsika izy ireo, omaly, tetsy amin’ny IFM Analakely. Fantatra nandritra izany fa seho roa no hatao amin’ity, samy ao amin’ny IFM Analakely avokoa. Ny voalohany ny zoma 16 desambra izao, manomboka […]
Mois : décembre 2022
Vakinankaratra : hamaha ny olan’ny faritra ny Fiteva
Nihaona teny Ambatomirahavavy ireo avy amin’ny Fikambanana ifanampian’ny terak’i Vakinankaratra (Fiteva), ny asabotsy teo. Niraisan’ny rehetra tamin’izany fa misedra olana ny any amin’ ity faritra ity. “Tsy afahany mivoatra sy mandroso izany. Eo ny olan’ny fambolena sy ny fiompiana, velontenan’ny mponina”, hoy ny depioten’ Ambatolampy, Ramims. Nanteriny fa mila fanohanana […]
Sekretera nasionalin’ny TGV : “Tsy vahaolana ny fitsipahana ny governemanta”
“Nifampiresahana tamin’ ny depiote fa raha esorina ny Praiminisitra; avy eo, hanolotra Praiminisitra vaovao, handrafitra governemanta vaovao. Nefa ny fifidianana amin’ ny herintaona. Lasa lany andro amin’izany ny firenena”, hoy ny sekretera nasionalin’ ny TGV, Rasoamaromaka Hery, manoloana ny fitsipaham-pitokisana nandamoka. Tsy maintsy ifandeferana izany. Jerena ny tombontsoan’ ny Malagasy […]
Fiatrehana ny fifidianana: niantso fahamailoana ny filoha nasionalin’ny Tim
Nanamarika ny faha-20 taonany nijoroany ny Tim teto amin’ny faritra Matsitra Ambony ny faran’ny herinandro teo. Nanatanterahana ny kongresim-paritra koa izany. Niatrika izany tany an-toerana ny filoha nasionaly sady mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc. “Tsapako ny fahoriana sy fahantrana mahazo ny vahoaka. Henoko avokoa ny fitarainanareo eto Fianarantsoa, manoloana ny […]
Ramamimampionona Gérard : “Miantefa amin’ ny fiainam-bahoaka ny korontana”
“Efa mikorontana ny sain’ ny olona amin’ny fivelomana sy ny eny anivon’ny fiarahamonina. Miantefa hatrany amin’ny fiainam-bahoaka tsirairay ny fametrahana korontana na savorovoro eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny mpandinika fiarahamoanina, Ramamimampionona Gérard. Miantso ny rehetra samy handray ny anjara andraikitra manandrify azy avy izy, ary mba amim-pahamarinana mifanaraka tsara amin’ny […]




