Mois : décembre 2022

CNIDH : nampahafantarina ny fifanarahana momba ny zo sivily sy politika

Nanao fampirantiana ny momba ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy politika ho an’ny vahoaka, omaly ny Vaomiera mahaleotena momba ny zon’ olombelona (CNIDH) teny amin’ny Parvis Analakely. Naranty sy nazavaina ho an’ ny mpitsidika izany miaraka amin’ny fandraisana fitarainana momba ny tsy fanajana ny zon’olombelona, hoy ny filoha […]

Nakatona ny ENS : nahita vahaolana iraisana ny mpianatra sy ny MEN

Nanao fanambarana ny fi­a­didiana ny oniversiten’An­ta­nanarivo fa mikatona nanomboka ny 7 desambra lasa teo hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny Ecole normale supérieure (ENS) eny Ampefiloha hitandrovana ny filaminana sosialy. Tsy nanao fampilazana mialoha ny hanao fitokonana ireo mpianatra ireo ka hoentina eny amin’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezan’ny oniversite ny mahakasika ireo […]

Faritra 19-Sehatra tsy manara-drafitra : Ivontoerana valo miantoka ara-pahasalamana olona 643 796

Nampiroboroboana ny fitsanganan’ny toeram-piantohana momba ny fahasalamana misahana ny sehatrasa tsy manara-drafitra ahazoan’ny olona maro misitraka tolotra ara-pahasalamana manana kalitao tsara. «Amin’izao fotoana izao, valo ny fikambanana misahana ny fiantohana ny fahasalaman’ny mpikambana misandrahaka amin’ny faritra 19 ao anatin’ny federasiona Miara-Miahy», hoy ny filohan’ny federasiona, dokotera Randriamalala Vero. Mive­lo­na sy […]

Andriamamonjisoa Ny Antso : “Mila finiavana be ny fianarana teny malagasy”

Mbola vao 16 taona monja Andriamamonjisoa Ny Antso dia efa nankafy ny teny malagasy tamin’ny fandalinana kabary. Anisan’ny nahazo fan­kasitrahana tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Fi­kam­banan’ny Mpikaba­rin’ An­­tehiroka sy ny “Associa­tion Andraina” izy, ny taona 2019. Roa monja ny mpandray anjara tamin’ny sokajy ankizy tamin’izany. Tsy nijanona teo amin’ny am-bava fotsiny ny […]

RAP Malagasy: mpanakanto vahiny 12 no ho ao amin’ny “Festival Zaza Rap Taiza”

Tombony maro no azo noho ny fisian’ny hetsika sahala amin’itony. Fampiroboroboana ny tontolon’ny Rap malagasy ary tosika ho an’ny mpanakanto miangaly izay gadona izany. Tombony lehibe ihany koa ho an’ny Malagasy mpiondana ny Rap. Tanterahina ny 8 hatramin’ny 10 desambra 2022, eny amin’ny La­pan’ny Kolotsaina sy Fana­tanjahantena Mahamasina ny “Festival […]