Efa nigadona any Japana, omaly 8 desambra maraina, Rakotoarivelo Nampoina Daniel, ilay judokas malagasy manana olana ara-pahitana, miaraka amin’ny mpanazatra azy, Sensei Ranjatoson Antsa. Hiatrika ny fifaninanana “Grand Slam pour les malvoyants” izy, hanomboka ny 11 desambra izao. Efa nanomboka omaly ihany ny fanazaran-tenan’i Nampoina ary salama sy matanjaka tsara […]
Mois : décembre 2022
Rallye Bosch CT Motors : 31 ny mpanamory hifaninana
Hanomboka anio ny “Rallye Bosch CT Motors”, dingana fahenina amin’ny fifaninanam-pirena, amin’ny familiana fiarakodia. Miisa 31 ireo mpanamory handray ny fiaingana ka anisan’ireny i Mathieu, hifampitady amin’i Faniry ary i Fred. Hahatratra 480, 59 km ny halavan’ity rallye ity, izay hisy dingana manokana “ES” miisa 12 mirefy 168, 37 km. […]
Lalaon’ny Nosy 2023: Atleta 100 mahery hiofana any ivelany
Efa tafiditra tanteraka anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023 i Madagasikara. Atleta maherin’ny 100 amin’ny taranja samy hafa no hahazo fiofanana any ivelany, hoy ny minisitra Tinoka Roberto. “Homanina araka izay tratra ireo atleta malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ny taona 2023”, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny […]
Lisitry ny mpifidy: mila tehirizina ny takelaka
“Aoka tsy hohadinoina fa rehefa manao fanisana ny mpanisa mpifidy, misy takelaka (autocopiant) iray mijanona ho an’ny olom-pirenena. Mila takina izany amin’ireo mpanisa mpifidy”, ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Iny takelaka nisoratana anarana iny no hahazoana manao fitarainana amin’ny Ceni sy ny tomponandraikitra. Manomboka any […]
Fitsipaham-pitokisana : misara-bazana ny depiote na samy IRD aza
Tsy misy intsony ny fitovian-kevitra eo anivon’ny vondrona parlemantera? “Vao tsy ela no nandany tamin’ny isa mavesatra ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023, ny Antenimierampirenena. Andro vitsivitsy aty aoriana, mivadika ny rasa. Inona izany ny zava-misy tao anelanelany tao?”, hoy, ohatra, ny depiote IRD voafidy tany Miarinarivo, Rakotondrasoa Fetra. […]




