Natao omaly tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny sonia teo amin’ny banky alemaina KFW sy ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisiteran’ny Toekarena sy vola ary ny MNP, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. 12 tapitrisa euros, dingana faha-5 izao azo avy amin’ny banky KFW izao hanohanana sy hitantanana ireo faritra arovana (Madagascar […]
Mois : décembre 2022
Tobin-drano Amoronakona : ho vita anio ny fanarenana ny simba
Simba ny paompy mampakatra rano eny Amoronakona, nanomboka ny zoma 2 desambra teo. Tapaka, noho izany, ny famatsian-drano teny amin’ny faritra Ambohimahitsy, Ankotsirano, Ikianja, Ankadindambo, Ambohimangakely, Ambohimangakely Manambina, Ambovokely, Ambatomaro, Antsobolo, Ankandrina, Ampatsy, Soamanadrariny, Ambohibe. Nohazavain’ny tale misahana ny rano ao amin’ny Jirama, Ramarosandratana Rija, omaly, nandritra ny fandalovan’ny minisitry […]
Fitantanana ny vola avy any ivelany: nahatratra 64,5% ny tahan’ny fandaniana ny famatsiam-bola azo
Tsy lany araka izay voasoritry ny sora-bola ny vola azon’ny fanjakana avy any amin’ny mpamatsy vola. Mila hahitsy sy hatsaraina ny fomba fitantanana ary hamafisina ny fifanakalozana antontam-baovao ho an’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny tomban’ezaka sy ny fitakiana voarakitry ny fanadihadiana mikasika ny tahan’ny […]
Ambatondrazaka : nanaovana adisisika ny tazomoka
Nisy fivoriana adisisika nataon’ny sampandraharaha miady amin’ny tazomoka tany Ambatondrazaka ny herinandro teo. Tanjona ny hampitombo hatrany ny fahamailoana amin’ny trangana tazomoka sy ny fiaraha-miasan’ny mpisehatra rehetra eny ifotony amin’ny ady amin’ity aretina ity. Ny mampiavaka ny faritra, izay anisan’ny antony mampiakatra ny tazomoka dia izy betsaka tanimbary, misy ny […]
Tetikasa ankizy krismasy : foana ny haban’ireo kaontenera
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanafohanana tanteraka ny haba sy hetra ho an’ireo kaontenera miisa 49 misy fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana eto Madagasikara. Fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy miaraka amin’ny ONG Tetikasa ankizy Krismasy (Tak) no hahatongavan’ireo […]




