Mois : décembre 2022

Fandravana Governemanta: tafapetraka ny fitsipaham-pitokisana

Tratra ny fetr’isa amin’ny fanangonan-tsonia hitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra sy ny governemanta. Handaniana izany rahampitso ny fifidianana azon’ny besinimaro hatrehina. Miisa 80 mahery ny sonia voangona amin’ny fahazoan’ ny Antenimierampirenena manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta, omaly atoandro. Nihoatra ny 100 izany ny tolakandro raha ny antsasa-manilan’ny depiote miisa 151 no ilaina. Tafa­petraka […]

« Jazz@teny tsy fantatra » : hanafana ny CGM ry Fanaiky Trio

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny hetsika kolontsaina faran’ny herinandro, etsy amin’ny Goethe-Zentrum Antanana­ri­vo/CGM tohatohabato Antaninarenina. Hanatante­ra­ka seho miavaka eny an-toerana ry Fanaiky Trio, ny alahady 11 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Jazz, miteny @ teny tsy fantatra », hiarahana amin’i Fanaiky hitendry gitara, i Mialy Tiana hikapoka ny amponga maroanaka, […]

Unesco – « Réseau du système des écoles associées» : hatsaraina ny fiaraha-miasan’ny samy mpikambana sy ny mpandrindra

Notanterahina, omaly, tao amin’ny foiben’ny Vao­mieram-pirenena malagasy momba ny Unesco, etsy Be­horirika ny fivoriana fanao isan-taona iarahan’ireo se­koly mpikambana ao amin’ny « Réseau du système des écoles associées » sy ny mpandrindra nasionalin’ity sampana eo anivon’ny Unesco ity. Tapaka tao anatin’izany fa anisan’ny ezaka hotanterahina ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny serasera eo […]

Kolotsaina an-tanan-dehibe: tsy ho avy amin’ny « Festival Zaza Rap Taiza » i  Blacko

Mihamahazo toerana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe eto amintsika. Tanjona amin’izao hetsika izao ny fampiroboroboana ny talenta malagasy sy fanomezana seho manara-penitra. Hetsika iray hanehoana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe, indrindra ny mozika ny “Festival Zaza Rap Taiza”. Andro vitsy mialoha ny hanombohan’ny hetsika no nilaza ny tomponandraikitra fa tsy ho avy eto Madagasi­kara […]