Mois : décembre 2022

Jery taratra…

Lalàna… ifampitokisana Miverina amin’ny laonina ny karaman’ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa 56 amin’izao volana desambra izao. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa tsy misy karama, rehefa tsy misy asa. Niteraka resabe ny fanoharana ny mpirakidraharaha ho toy ny mpiasa an-trano amin’izany. Misy ny fanangonan-tsonian’ny depiote amin’ny tsy fenekena izany, fa samy mpiasam-bahoaka […]

Tsy marefo izany…

Teboka iray lehibe no andeha horesahina anio. Ny mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny olona manana fahasembana rahateo isika anio. Hatramin’izao, mbola iharan’ny fanambaniana sy ny fanilikilihana hatrany izy ireny na eny anivon’ny fianakaviana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy nisy nisafidy ny hanana toe-batana […]

Migadra ny mpanao sonia: tsy ampy solika, mihamafy ny delestazy

Taorian’ny fampidirana am-ponja ireo tale tao amin’ny Jirama, tsy misy intsony ny mpanao sonia. Mihitsoka ny taratasim-bola tokony hakana solika. Vokany, mihamahery vaika ny delestazy. Sempotra tanteraka! Vao mainka tena mahery vaika ny faharetan’ny fahatapahan’ny herinaratra na delestazy, indrindra na­nomboka ny alakamisy 1 desambra teo. Tsy adiny roa araka izay […]

Lasa ny vidin’entana: mpivaro-mandeha voatifitry ny jiolahy

`Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy azy ny mpivaro-mandeha iray tao amin’ ny fokontany Anivorano, kaominina ambanivohitra Za­fin­dra­fady, distrikan’i Vohi­peno ny 01 desambra teo. Teny an-dalana, narahin’ireo olon-dratsy ity raim-pianakaviana ity. Noro­bainy tamin’izany ny vola. Tsy vitan’io, nikasa hiaro tena ilay mpivarotra ka notifirin’ireo jiolahy. Voa tamin’izany, ny felatanany […]

Mpangalatra finday: nilaza ho nirahin’ny kalanoro

Saika niala hatramin’ny mahalehilahy! Niditra tao amina tsena iray tao Amba­tondrazaka renivohitra ny mpangalatra iray, omaly tolakandro. Somary variana ny tompon-tsena ka nofaohin’ity lehilahy ity ny finday raitra niranty. Tsikaritry ny olona anefa ny fivoahan’ity olon-dratsy ity. Nitondra ny finday raitra, nifanotofan’ny daroka nataon’ireo olona manodidina izy. Nentin’ny hateze­rana, efa […]