Mois : décembre 2022

Basikety : hamarana ny taona 2022 ny ligin’Analamanga

Hiavaka ny famaranana ny taom-pilalaovana 2022, amin’ ity ho an’ny ligin’Anala­manga ny basikety. Hisy ny hetsika karakaraina ny 10 sy 11 desambra izao eny amin’ ny kianja an’Ankaso, hahitana fifaninanana maro samy hafa amin’ny sokajy sy sehatra isan-karazany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ligin’An­a­lamanga, Andriatsima Hery, tetsy Mahamasina, omaly. Hiseho amin’ny […]

Fahasembanana: Andro iraisam-pirenena anio

Manana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny olona manana fahasembanana. “Fiaraha-mientana ho amina tontolo mahomby: ireo olona manana fahasembanana miara-tompon’antoka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara” ny lohahevitry ny fankalazana noraisin’ny minisiteran’ny Mpo­nina amin’ity andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana, ha­tao ny 3 desambra 2022, any Soavinandrina Itasy ity. “Zava-dehibe fanajana […]

Kaominina Soalandy- Antananarivo Atsimondrano: hamiratra ny tanàna, fotodrafitrasa maro hatsangana

Nitsidika ny fizotran’ny asa teny amin’ny kaominina Soalandy, Antananarivo Atsi­mondrano, omaly ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andr­ia­manohisoa Gérard. Misy ny fanamboarana sy fanatsarana ny tanàna tanterahina eny an-toerana. Anisan’iza­ny ny toerana fialamboly natao ho an’ny sokajin’olona rehetra tsy ankanavaka, ahitana zaridaina sy toeram-pitsangantsaganana ho an’ ny […]

Hanohizan’ny Pam ny asany : nanome vola 2,3 tapitrisa euros i Frantsa

Nahazo sora-bola 2,3 tapitrisa euros avy amin’ny fanjakana frantsay ny Fan­daharanasan’ny Firenena mi­kambana momba ny sakafo (Pam) hanatanerahana ny asa vonjy aina sy ny famatsiana ny sakafo an-tsekoly any Atsimon’i Madagasikara. Ity no famatsiana lehibe indrindra nataon’i Frantsa tao anatin’ny telo taona, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny Pam eto Madagasikara, i […]