Mois : décembre 2022

Fitantanana ny Instat : nametraka mason-tsivana ho an’ny tale jeneraly ny mpiasa

Noesorina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny tale jeneralin’ny Instat. Nilatsaka ny fepetra sy ny mason-tsivana avy amin’ireo sendika eo anivon’ny Instat amin’ny hisolo ny toerany. “Olona afa-mamaha ny olan’ny Instat no tokony ho tale jeneraly”, hoy ny sendikàn’ny mpiasa « Contractuels » na ny « Syndicat des personnels contractuels de […]

VIH/Sida : manodidina ny 1.000 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina

Nandritra ny resaka natao tamin’ny tompon’andraikitry ny CNLS, omaly no nahafantarana fa misy olona 1.000 vaovao heverina ho mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Manentana ny olona amin’ny fanaovana fitiliana sy ny faharetana amin’ ny fihinanana fanafody izy ireo mba hanamora ny fanaraha-maso ny fahasalamana. Miisa 10 837 ihany koa […]

Ady amin’ny Sida: nilaza ho tsy nanodinkodim-bola ny CNLS

Nandritra ny fihaonan’ny komitim-pirenena momba ny ady amin’ny Sida na ny CNLS tamin’ny mpanao ga­zety, omaly, dia niaiky izy ireo fa nisy tsy fahatomombanana ny lafiny fitantanana saingy tsy nisy kosa ny fanodinkodinam-bola. Nilaza ho vonona amin’ny fiatrehana ny fanadihadiana ataon’ny “Inspection générale de l’Etat” (IGE) ireo mpitantana ao amin’ny […]

Mpivarotra amoron-dalana : notoloran’ny filoham-pirenena vary

Tsy ankanavaka ny fanomezana avy amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry tamin’ity taona ity. Nisitraka ny fanampiana ny avy aminy ireo mpivarotra amoron-dalana. Nizarana vary tetsy amin’ny kianjan’ny Malacam izy ireo, omaly. Tonga nanolotra izany ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, Pelandroy Espérance niaraka tamin’ny tale misahana ny serasera ary mpitondra tenin’ny […]

CUA – Fonja fanarenana Antanimora: vehivavy 580 nomen’ny ben’ny Tanàna sakafo

Nahatsiaro manokana ireo vehivavy voafonja ao Antanimora ny CUA, tarihin’ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ny Aumonerie Samaritana Tsara Fanahy. Tafiditra amin’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izany hetsika izany. Toy ny fanaony isan-taona, amin’ny fijerena ny maha olona, resy lahatra ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, i Naina Andriantsitohaina […]