Hamarana ny fankalazana ny faha-75 taonany ny Alliance Française Antananarivo. Homarihana amina fampisehoana, izay hanokatra ny taona ihany koa anefa izany hoan’ity ivotoeram-pampianarana sady ivon-kolontsaina etsy Andavamamba ity. Nosafidian’izy ireo hiray sehatra amin’izany i Mirado sy ny Reko Band, ny asabotsy 7 janoary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Mpanakanto […]
Mois : décembre 2022
Asa fanoratana : maty i Françoise Bourdin
Nodimandry ny 25 desambra 2022, tao amin’ny trano fonenany tao Eure ao Normandie Frantsa, teo amin’ny faha 70 taonany i Françoise Bourdin . Isan’ny mpanoratra Frantsay nanana ny naha izy azy. Ny fanoratana asa soratra miresaka ny fitiavana ny tena nanahafantarana azy. Asa sorany nivoaka farany ny “Un si bel […]
Taona 2023 – Raha tsy mitandrina…: ho potika tsy ho ela ny kolontsaina malagasy
Manana ny mampiavaka azy manoloana ny an’ny hafa ny kolontsaina malagasy. Tao anatin’ny fotoana naharitra, niezaka ny nanimba izany ny vahiny sy ireo Malagasy saribakoliny. Hanao ahoana ny mety hanjo azy ity atsy ho atsy ? Tsy lavaka tsotra intsony fa efa hantsana lalina no ivarinan’ny kolontsaina malagasy amin’izao vanim-potoana izao. […]
Rasoamaromaka Hery : “Arahin’asa ny fahavononana amin’ny fifidianana”
“Tsy maintsy vonona amin’ny fifidianana, fa tsy maintsy arahin’asa ny fahavononana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Sekretera nasionalin’ny antoko TGV, Rasoamaromaka Hery, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, taona 2023. Izay no tombondahin’ny eo amin’ny fitondrana: tsy afa-manao fampanantenana intsony rehefa tonga ny taona 2023, tsy afa-kiteny intsony amin’ny vina […]
Fiainana antoko : feno 50 taona ny nijoroan’ny MFM
Niorina ny volana desambra 1972. Nitsingerina, omaly, ny faha-50 taonan’ny antoko MFM. Nanao antso fanairana amin’izao tsingerin-taona izao ny mpikambana, Raveloson Constant. Nambarany fa tsy entinkentim-poana ny anarana MFM. “Averintsika amin’ny hasina nametrahan’ny vahoaka azy teto amin’ny tany sy ny firenena ny antokontsika, manomboka izao”‘, hoy izy. Nanteriny fa tena […]




