Mois : décembre 2022

Antenimierandoholona : Mbola mitaky tambin-karama ny mpiasa

“Manokatra varavarana ho amin’ny fifampiresahana ny filohan’ny Antenimieram­pirenena. Nandray anay izy ny antoandro teo, ary nampahatsiahivinay azy fa misy ireo minisitera sy andrimpanjakana nandray an’izany tambin-karama izany ankoatra ny karama volana desambra”, hoy ny filohan’ny sendikà Antoky ny sehatry ny asa eto amin’ny Antenimierandoho­lona (Asa), Razafimaharo Fa­mantanantsoa, teny Anosi­kely, afakomaly. […]

Firariantsoa ho an’ny taona vaovao: hitafa ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina

Fotoana iray hanaovana jery todika izao faran’ny taona izao ary hanombanana sy hametrahana koa ny vina ho an’ny taona vaovao. Hiompana amin’izany ny lahatenin’ny filoha Rajoelina Andry, ny asabotsy hariva, amin’ny 7 ora amin’ireo haino aman-jery rehetra. Tombanana fa hitanisa ny ezaka sy ny dingana vita tao anatin’ny herintaona ny […]

Ceni : “Tsy ny famoahana daty no hibaiko ny antoko”

“Tsy ny famoahan’ny Ceni anio ny vanin’androm-pifidianana no mibaiko ny antoko politika tsirairay avy hiomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana na sanatria sakana tsy ahazoany miomana amin’izany”, hoy ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamaro­tafika Soava, momba ny fitakian’ny antoko politika sasany ny hamoahan’ny Ceni ny datin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Na hambara […]

Mila filaminana

Mazava be toa karatry naivo ny tatitra mikasika ny fankalazana ny krismasy fa nahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. An-jatony ny olona voasambotra noho ny halatra, fanendahana, fandrobana, vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana. Maro ny tsy manan-tsiny lasibatra. Betsaka ny fongana fananana sy very herim-po tanatin’ny minitra vitsy monja. Tao anatin’ny […]