Mois : décembre 2022

Fanafihana mitam-piadiana : voaroba ny vola, Sinoa iray maty

Maty norasain’ny jiolahy antsy ny teratany sinoa iray, afakomaly alina. Maratra ny vadiny.. Lasan’ny jiolahy ny vola teny Fitraofana Talatamaty. Namoy ny ainy vokatry ny vono sy fandrobana nataon’ny jiolahy ni­tam-basy ny teratany sinoa iray mpivarotra etsy Beho­ririka, tao Fitraofana, afakomaly. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany, niditra an-keriny […]

Tselatra

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa ireo lehilahy miisa enina voatondro ho nangalatra vy tamina « pilone » mitondra tariby « haute tension » ny orinasa Jirama teny Behintsy –Ambohimangakely, ny alakamisy teo. Tsiahivina fa noentin’ireo jiolahy tamina sarety ireo vy halatra saingy nisy nahatsikaritra. Nampandre ny zandarimaria ny fokonolona ka tratra tamin’izay ireo […]

Ambohidratrimo : ady tany nivadika halatra akoho, lehilahy iray voasambotra

Manao antso amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eto amin’ny firenena, indrindra fa ny Sekre­teram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jly Serge Gellé ny fianakavian’ilay lehilahy voarohirohy tamina raharaha halatra akoho nifangaro ady tany, tao amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambo­hi­­dra­­trimo. Araka ny fanazavan-dRakotoniaina Hanitra Evah, mpandraharaha eny Ma­­dera Namontana, nisolo tena ny […]

Tsy mifidy taona intsony…: tratran’ny polisin’ny BFP ireo tontakely mpisoloky

Ankizilahy roa 15 sy 16 taona tratra nangarom-paosy sy nisoloky tao Toamasina, omaly antoandro. Ny polisin’ny BFP (Brigade feminine de proximité) Toamasina no na­hasambotra azy ireo taorian’ny fanenjehana. Ankizi­lahy 12 taona no niharan’ny asa ratsin’izy ireo. Ny iray mandrahona, ny iray kosa maka ny zavatra ao anaty paosy sy ny […]

Mahajanga : may ny orinasa Sitam

Nijoalajoala ny afo tao amin’ny orinasa Sitam « So­ciété Internationale des Ta­bacs Mal­gaches », omaly to­kony ho ta­min’ny 02 ora ma­raina, tao Manjarisoa-Maha­janga. Voka­ny, may avokoa ny iray ampahatelon’ny « entrepôt » an’ity orinasa ity. Hatre­to tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza, fantatra kosa fa antapitrisa maro ny totalim-bidin’ny entana levon’ny afo. « Olon-tsotra […]