Nifarana, omaly, tany Aostralia, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, dobo filomanosana 25 m, taranja lomano. “Record national” roa no montsan’i Jonathan. Tsara raha eo amin’ny fe-potoana vitany, ny vokatra ho an-dRaharvel Harivony Jonathan, nandritra ity fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano ity. Mbola mila ezaka kosa anefa eo amin’ny sehatra […]
Année : 2022
Beach Soccer: hatao atsy Seychelles ny “Mondial 2025”
Notendren’ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (FIFA), hampiantrano ny andiany faha-13 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra lalaovina ambony fasika (Beach soccer) 2025, i Seychelles. Sambany ary voalohany no hotanterahina aty amin’ny kaontinanta afrikanina izany fihaonana an-tampony izany. Tsiahivina fa efa nandray ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]
Kitra vehivavy – « Poule des As »: manana solontena roa i Vakinankaratra
Samy tafakatra amin’ny «Poule des As», hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy, ireo ekipa roa, avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra. Anatin’ izany, ny AC Sab-Nam, sy ny Disciples FF. Fihaonana, hatao eto Antananarivo, ny volana febroary 2023. Marihina fa nifarana ny asabotsy lasa teo ny dingana faharoa amin’ny […]
Barea Chan: hivoaka ny zoma izao ny lisitr’ireo mpilalao 23
Ho fantatra amin’ny 23 desambra ho avy izao, ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, hatao any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary, ho avy izao. Araka ny fanambaran-dRakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea Chan, ny asabotsy lasa teo, […]
Boky vaovao : nivoaka ny «Maroandavaka»
Notanterahina ny asabotsy 17 desambra teo, tao amin’ny Espace Kolo Kanto Parc de l’Est Antsirabe ny famoahana ny “Maroandavaka”, boky mirakitra haisoratra novolavolain’ny aingampanahin’ireo poeta 9 mianadahy (Lamz, Riana, Ni-Avatsa, Aloka Miserana, Ny Avo Elabakaka, Tsiky Sesehena, Aingan’ny Ala, Patrick Teddy ary i Faniry Ezeckiel. Avy amin’ny Faribolana Sandratra sampana […]




