“Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanam-pirenena, ka antsoina manokana handray andraikitra amin’izany ireo raiamandreny ara-panahy sy raiamandreny ara-drazana ary indrindra ny mpitantana ny firenena amin’izao fotoana izao.” Io ny anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), teny Andrefan’ Ambohijanahary, ny herinandro teo, nentin’ny […]
Année : 2022
Andrianainarivelo Hajo: “Ilaina ny mihaino ny olan’ ny vahoaka eny ifotony…”
Nitohy tany Ankazoabo ny fitsidihan’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo ny atsimon’ny Nosy. Nivoitra tamin’izany ny olana maro samihafa iainan’ny vahoaka any an-toerana. Anisan’izany ny olana sosialy. Tsy mifanaraka amin’ ny filan’ny mponina ireo fotodrafitrasa any Ankazoabo. “Ilaina ny mihaino ny olan’ny vahoaka ety ifotony raha te hampandroso […]
Kestora Henri Jean-Michel : “Madio ny fitantanana ato amin’ny Antenimiera”
Namaly ny resabe. Nitondra fanazavana momba ny fitantanana eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny kestora I, ny depiote Jean Michel Henri. “Hatramin’ny 2019 ka hatramin’izao, eo an-tanany avokoa ny taratasy fanamarinan’ ny vaomieran’ny fitantanam-bola. Madio sy mangarahara ny fitantanana ato amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny kestora voalohany eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote Jean-Michel […]
Volamena 73,5kg atsy Afrika Atsimo: migadra 10 taona sy mandoa 52 miliara Ar ireo telo lahy
Nivoaka ny alin’ny zoma teo ny didim-pitsarana momba ilay volamena 73,5kg naondrana an-tsokosoko atsy Afrika Atsimo. Miisa 25 ireo voasaringotra tamin’ity raharaha ity ary niakatra ny fitsarana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), 67ha ny 18 amin’izy ireo. Migadra 10 taona an-tranomaizina miampy didy fampisamborana ary mandoa lamandy 52 […]
Ny ilantoana mety hisavorovoroana
Ny isavorovoroan-kilantoana? Mandeha ho azy sy efa mahazatra izay. Hatraiza? Rehefa misy ny zava-manahirana, mety mitranga sy mandeha ho azy ny fikoropahana, fisavoritahana, fikorontanana… Raha tsy tony sy milamina amin’izany ny tena, mety vao mainka manampy trotraka ny fahasahiranana, fahavoazana… Sarotra tsinona ny mitsara zavatra mbola eo am-pihetsiketsehana na eo […]




