Tontosa ny asabotsy 17 desambra teo, tao amin’ny Grand amphithéâtre Degs, Oniversiten’Antananarivo ny famoahana mpikabary 16 mianadahy, notanterahin’ny Club Vintsy Famelona, ao amin’ny departemanta jeografia, fakiolten’ny teny aman-tsoratra, eo anivon’ity oniversite ity. Rehefa nianatra nandritra ny 7 volana, voafehin’izy ireo ny fototry ny kabary, ny kabary an-kasoavana sy an- karatsiana. […]
Année : 2022
Faran’ny taona : manohana mpanakanto ny Airtel
Nandritra ny taona maro, tsy mitsahatra manohana ny mpanakanto ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy fanohanana ireo mpanan-talenta miangaly azy ho an’ny vahoaka sy ireo mampiasa ny tambajotrany ny Airtel Madagascar. Fetin’ny faran’ny taona «Prestigiuous time» hifampizarana amin’ireo mpanakanto avo lenta avy eto an-toerana na avy any ivelany. «Fanohizana ny efa […]
Fampisehoana ho an’ny Ankizy: hetsika tsy mbola nisy teto Madagasikara
Tontosa, omaly, alahady 18 novambra 2022, tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny « Cirque Momota ». Fampisehoana niarahana tamin’ny Momota sy ny tariny ary ny « Aleas des possibles ». Tsy ampy ny fampisehoana ho an’ny ankizy eto Madagasikara. Vitsy ny mpikarakara lanonana mikarakara hetsika ho fanomezana fahafaham-po ny kilonga malagasy. […]
Fialan-tsasatry ny fitsarana : misy hatrany ny fiandrasan-draharaha
Hanomboka anio ary hifarana ny 15 janoary 2023 ny fialan-tsasatra eny anivon’ny fitsarana, Antananarivo. “Misokatra hatrany anefa ny fitsarana. Na eo anivon’ny fampanoavana izany, na eo anivon’ny firaketan-draharaha hahazoana mampiditra an’ireo raharaha rehetra heverina fa tokony hapetraka eny amin’ny fitsarana”, hoy ny lehiben’ny firaketan-draharaha, Antananarivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, […]
Fanisana mpifidy: niantso fanaraha-maso hentitra ny lisitra ny Tim
Nitohy tany Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny kongresim-paritry ny Tim, ny faran’ ny herinandro teo. Tafiditra koa amin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny antoko izany. Nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc tamin’izany fa efa hikatona tsy ho ela ny fanisana ny mpifidy, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Entanina ireo […]




