Eran-tany

Hitombo betsaka ary tafakatra ambony ny tinady eo amin’ny solika amin’ity taona ity, araka ny fisokafan’ny toekarena any Chine. Taorian’ny fepetra momba ny fahasalamana no hampitombo ny tinady eo amin’ny solika, maro indrindra 101,7 tapitrisa barils isan’andro. Tombatombana nataon’ny AIE (Agence internationale de l’énergie) izany. Tsy maharaka ny tinady ny tolotra. Tsy haharaka ny tolotra eran-tany noho ny tsy fandraisan’ny firenena tandrefana ny solika vokarin’ny Rosianina.
Manana fahafahana miala amin’ny fahantrana ireo firenena aty Afrika atsimon’i Sahara noho ny fananany harena betsaka. Tsena iray lehibe maneran-tany ny fisian’ny mponina miisa 1,2 miliara, hafahana miditra amin’ny tena lalan’ny an-dalam-pandrosoana, mitrandraka ireo harena samihafa. Tamin’ny 2022 anefa 3,3 % ny fisondrotan’ny harin-karena faobe, raha 4,1% izany tamin’ny 2021 taty atsimon’i Afrika. Antony, tsy dia hita loatra ny fandrosoan’ny toekarena eran-tany, noho ny ady any Ukraine, fiovaovan’ny toetr’andro, sarotra ny famatsiana ara-bola.
Mahasarika mponina maro aty Afrika izao ny zava-bita sinoa, tsy ny lafiny toekarena ihany fa hatramin’ny kolontsaina. Am-polo taonany maro izao maharesy lahatra ny vahoaka afrikanina ireo tolotra sinoa amin’ny karazany maro sy amin’ny vidiny (kojakoja ilaina amin’ny trano,
fiarakodia, fifandraisan-davitra, sns). Mpandraharaha afrikanina koa tsy vitsy no efa mitodika any Chine amin’ny fanondranana na fanafarana entana. Any Rwanda, ohatra, misy fomba sinoa arahina rehefa miasa. Tolakandro maka 15 mn miala sasatra kely mijery sarimihetsika amin’ny finday.

Partager sur: