Ranolava ny fanehoan-kevitra ny amin’ny toriteny tamin’ny fanompoam-pivavahana nitondrana amim-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany ary ny taom-piasana 2023, teny amin’ny Coliseum, Antsonjombe, ny 15 janoary. Voateny tamin’izany ny momba ny hala-bato amin’ny fifidianana, ohatra, ny Tafika, ny fitananam-bola… Raisina toy ny fahavalo avy any ivelany ireo manana fisainana […]
Mois : janvier 2023
Jiolahy ikoizana : rotiky ny balan’ny zandary i Lemana na Ravazaha
Maty voatifitry ny zandary ny jiolahy raindahiny tamin’ny fanafihana mitam-piadiana fantatra amin’ny anarana hoe i Lemana na Ravazaha tao Andranomadio Toamasina parsela 11/42 sy 11/43, omaly. Jiolahy ikoizana tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy vonoan’olona Ravazaha, namana akaiky an-dRasihanaka. Nirefodrefotra vao maraina ny basy tao Andranomadio nandritra ny hetsika nataon’ny zandary tamin’ny […]
Ho « teteza-miitatra » indray !
Lasa iny ny rivodoza. Nivoaka tsikelikely an’i Madasikara i Cheneso. Manomboka lefy ny heriny. Maro ny takaitra navelany, noho ny ranobe niakatra. Nihanitombo ny lalana simba sy ny tetezana tapaka na mihozongozona. Miandry ny fandraisana andraikitra maika avy amin’ny manam-pahefana ny fanarenana. Tsy indray mandeha rahateo ny rivodoza mandalo eto […]
Tsy olana ny tetibolan’ny Ceni : “Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana”, hoy ny praiminisitra
Nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tao amin’ny TVM. Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny fifidianana. “Efa misy ny tetibola. Efa nanao fifidianana hatrany isika ary nahazo fampitaovana sy vola ny Ceni. Tsy olana ny fanampiana ny Ceni ary tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ity taona ity, […]
Nitady basy ahofa: dahalo maty voatifitra, voasambotra ny namany
Maty voatifitry ny zandary ny jiolahy iray nitady basy ahofa 4 hetsy Ar tao Manambila, distrikan’i Farafangana, ny talata 19 janoary teo. Anisan’ireo dahalo nangalatr’ omby tao amin’io tanàna io, nanaovan’ny fokonolona sy ny zandary vela-pandrika ity lehilahy ity. Mpiambina ao amina sekoly iray ao an-toerana ihany ny naman’izy io. […]




