Hotanterahina ny 07 febroary 2023, hatramin’ny 25 febroary 2023, ny varotra fampirantiana hataon’i Guy Pradel, mpanakanto manana fahaizana manokana momba ny rakitakela-manify na “Marquéterie”. Ao amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely no hanatanterahana ny hetsika. Lohahevitra amin’izany fampirantiana izany ny “Sacramental”, lohahevitra mampiseho ny mahakasika ny fanantenana sy […]
Mois : janvier 2023
Mitohy ny fankalazana ny 50 taona: “Tsy handimby ny Mahaleo izahay”, hoy ireo taranaka
Mitohy ny “Revy Mahaleo”. Taorian’ny fitetezam-pirenena, hanohy ny fankalazana ny faha-50 taona eto an-tanindrazana ny tarika Mahaleo sy ny taranaka… Voavaly ny kihana sy ny fanontaniana maro mipetraka! Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tarika Mahaleo, omaly, nitantara ny tontosa tamin’ny fanamarihana ny faha-50 taona, sy niresaka ihany koa ny fandaharam-potoana […]
Fitantanana Andrimpanjakana : tsy mihevitra ho filohan’ny «Sénat» Ratsirahonana
Nifampiarahaba noho ny taona vaovao ny antoko Avi, teny Ivato, omaly. Niatrika izany na efa nisotro ronono aza, ny mpanorina, Ratsirahonana Norbert Lala. Nitondra valin-kafatra manoloana ny resabe ny tenany. “Tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona izany aho ary tsy mieritreritra ny hanao na inona na inona intsony. Tsy hanaiky hotendrena na […]
KMF/Cnoe : “Tsy fotoana fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena izao”
Namoaka fanambarana indray ny eo anivon’ny KMF/ Cnoe, omaly. “Tsy fotoan’ny fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena samirery izao. Aoka samy hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka hanalavitra ny hevitra mety hiteraka korontana, tsy hahasoa ny firenena. Fotoana izao ilana ny fahaiza-manao sy ny fifanakalozan-kevitra”, hoy ny KMF/Cnoe. Notsiahivin’izy ireo fa […]
Faritra Bongolava: haongan’ny olom-boafidy ny governora
Raikitra ny hetsika fitakiana ny hanesorana ny governoran’ny faritra Bongolava. Nidina an-dalambe ireo vahoaka sy ireo tompon’andraikitra mpitantana sasany, nanohana izany. “Feno ny kapoaka, satria tsy misy asa fampandrosoana ny eo anivon’ny faritra Bongolava. Manoloana izany, mivondrona mampiseho hevitra ny rehetra. Fanehoan-kevitra no natao androany hanairana ny fanjakana foibe ho […]




