Mois : janvier 2023

Fandraharahana eto an-toerana : mirona any amin’ny « e-commerce » ny karazam-barotra

Fandraharahana no be mpisafidy amin’ny asa atao amin’izao fotoana. Saingy mila fantarina mialoha ny sehatra hidirana. Raha tamin’ny taon-dasa, ireto no sehatra hita hisafidianan’ny maro mampidi-bola haingana. Satria mivoatra hatrany ny teknolojia, betsaka ny mirona any amin’ny «e-commer­ce» ha­nolorana karazam-barotra maro. Ireo kojakoja fampiasa andavanandro, fitafiana, kiraro, hatramin’ny fiarakodia misy […]

Novidiana taty Madagasikara : trondro 3,5 t tratra tatsy Mayotte

Namoaka fampahalalam-baovao ny prefektioran’i Mayotte, ny 17 janoary teo. Nambarany fa nisy hetsika nataon’ny tompon’andraikitra mikasika ny jono sy ny fari-dranomasina any an-toerana, nahitana sampandraharaha maromaro, ny zoma 13 janoary 2023 lasa teo. Nisy sambo nitondra hazandrano, manana laharana any Mayotte, nosavain’ny vondrona mpanara-maso ny morontsiraka (ULAM). Tsikaritra fa tsy […]

Famatsiam-bola avy amin’ny Bad : hatsaraina ny fifehezana ny rano

Natao sonia, ny talata 17 janoary teo, ny fifanarahana famatsiam-bola roa sosona iarahana amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Mifantoka amin’ny hifehezana ny rano sy ny loharano izany, hanatsarana ny fotodrafitrasa samihafa mifandraika aminy. Famatsiam-bola fanampiny ny voalohany, ao anatin’ny Fandaharana­sa famatsiam-bola ho an’ny ambana amin’ny loza voajanahary aty […]

Rivodoza Cheneso : loza manambana ho an’i Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana

Nitombo hery ka lasa rivodoza mitondra anarana hoe: “Cheneso” ilay andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasina Indianina, araka ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro tao anatin’ny filazana manokana momba ny rivodoza, omaly atoandro. Nikisaka nianandrefana izy tao anatin’ny enina ora farany ka nahafaka 35 km isan’ora. Tamin’ny 12 […]