Mois : janvier 2023

Pasitera Tsarahame E. : “Andao hifampiresaka aloha…”

Maniry fifidianana madio sy eken’ny rehetra ny mpanohitra amin’ny fifidianana ho avy eo. “Ny firosoana amin’ny fifampiresahana sy fikaonandohan’ny rehetra ao anatin’ny fo madio, milamina ary tony ny vahaolana tsara indrindra”, hoy ny pasitera Tsarahame Edouard, omaly, tetsy Bel Air. Soso-kevitra entina mamaha ny zava-mitranga eto amin’ny firenena io fa […]

Pasitera Razafindramanitra Nestor: “Tsy lampihazo politika ny polipitra”

“Natao hampitana ny hafatr’Andriamanitra ny polipitra izay an’ny fiangonana. Marobe ny vahoak’Andria­manitra, samy manana ny heviny, samy manana izay andrasany ao am-piangonana. Tsy lampihazo politika ny polipitra, tsy natao hanehoana ny hevitry ny tena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafidramanitra Nestor, momba […]

Andriamarotafika Soava : “Miankina amin’ny lalàna mivoaka ny fahazoan’ny diaspora mifidy”

Araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, hahazo hifidy ny teratany malagasy any ivelany na ny diaspora. Maneho ny fijeriny ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava: “Miankina amin’ny fivoahan’izay lalàna na didim-panjakana izay ny hahazoana mampiditra an’ireo teratany malagasy any am-pielezana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.” Dinidinika… Gazety […]

“Urban Talenta” : hasongadina ireo talenta vao

Maro ireo tanora manan-talenta amin’ny sokajy zavakanto an-tanàndehibe, indrindra ny mozika. Ny sehatra hivelarana sy ny lalan-kizorana matetika no tsy ampy amin’ izy ireo. Antom-pisian’ny he­tsika “Urban Talenta” ny hanasongadina ireo talenta vao, izay tsy ampoizina ny ankamaroany. Lalao nokarakarain’ny fikambanana La Rue nous concerne tao amin’ny “facebook” izy ity. […]

Fampiarahana ny sôva sy ny soukouss: hiverina eny an-tsehatra amin’izay i Magic Jah

Magic Jah, mpanakanto fantatra tany amin’ny taona 2006 amin’ny fiangaliana ny gadona mihetsika mampiavaka an’i Afrika tahaka ny ma­pôka, soukouss ary ny famolahana ireo vakodrazana malagasy hanjary kanto mitoetra. Nano­kana fotoana lava izy nentina nandalinana bebe kokoa ny tontolon’ny hira sy ny mozika. “Anisan’ny nohatevenina ny fomba famoronana hira izay […]