Hihaona eny Malaza Ampitatafika ny mpikatroka amin’ny sehatry ny taxi-moto izay mivondrona ao amin’ny Vovonan’ny Taxi-moto eto Madagasikara (VMTM), amin’ny asabotsy izao. Haneho fampiraisana sady fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao izy ireo amin’ izany. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny VMTM, fa amin’io koa no hanambarana amin’ny fomba ofisialy ny maha ara-dalàna […]
Mois : janvier 2023
Olan’ny rano sy ny fizarana trano: manome 10 andro ny mpitantana ny mpianatry ny oniversite
Mitohy ny fampianarana amin’ny taom-pianarana 2022-2023 ho an’ny fakiolte sasany eny Ankatso ka tsy voakasiky ny fitakian’ny Seces. Etsy andaniny, mitaraina koa ireo mpianatra noho ny olan’ny famatsiana rano sy ny fizarana efitrano. Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 mandranto fianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly, teny Ankatso […]
Nivory maika ireo filoham-piangonana: hiteny sy haka fanapahan-kevitra ny FFKM
Nivory, maika, omaly ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM, niaraka amin’ny birao foibe. Tsy nisy nipika ny dinika teo amin’izy ireo. Na izany aza, nambaran’ny loharanom-baovao fa hanana ny hambarany manoloana ny raharaham-pirenena ny fiangonana. Fotoana hanatanterahana ny “Herinandron’ny firaisam-pinoana”, efa fanao isan-taona. Hatao eny amin’ny fiangonana Anglikanina, Ambohimanoro […]
Fihaonana tamin’ny filoha Rajoelina Andry : hanamafy ny fiaraha-miasa ny Mgr Thomasz Grysa
Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny “Nonce Apostolique”, ny Mgr Tomasz Grysa. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izany. Nambaran’ity solontenan’ny fiketrahana Masina ity fa vonona hatrany ny hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa amin’ny firenena malagasy ny any Vatikana. “Hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana […]
Fitantanana sy andraikitra: Olan’ny ben’ny Tanànan’Antohobe Betafo ny tsy fahampian’ny tetibola
Iza izy ? Randrianiainatsimarofy Joseph Antoine. Fantatra amin’ny solon’anarana Naina Bina. Ben’ny Tanànan’ny kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo. 37 taona ary manambady sy niteraka telo mianadahy. Anisan’ ny sakafo ankafiziny ny vary maina miaraka amin’ny trondro. Mpankafy sy efa nilalao baolina kitra ny tenany. Anisan’ny fialamboly tiany ny mihira. Eo koa […]




