Nanafatrafatra toy ny isan-taona. Natao, omaly teny Mahazoarivo koa ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra. Nitarika izany ny manamboninahitra, zandriny indrindra, ny Lieutenant Rakotoarison Safidiniaina. Miasa eo anivon’ny vondron-tafika ho ami’nny fiarovana ny lapa “Bataillon de sécurité de la primature”, ny tenany. Tonga nitarika ny lanonana ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy […]
Mois : janvier 2023
Vaky trano : olon-dehibe efatra voasambotry ny zandary
Voasambotry ny zandary ireo olon-dehibe efatra mianadahy tratra namaky trano tao Behenjy afak’omaly. Nisy nanafika ny tokantrano iray ao Anjanamasoandro ambony, fokontany Antanetibe, kaominina Behenjy tamin’io andro io. Lasan’ny jiolahy tamin’ izany, ny vilany, ny biby fiompy ary kojakoja maro samihafa tao an-trano. Nahavoaray antso avy tamin’ny olon-tsotra ny zandarimariam-pirenena […]
Jly Rakotonirina Richard : “Manana tamberin’andraikitra ny manamboninahitra”
Nanana ny nambarany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra, omaly. Nisy ny hafatrafatra napetrany tamin’izany. “Manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena ny manamboninahitra ary tsy natao hiandany na amin’iza na iza. Eo koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”, […]
Rugby any ivelany : hijanona ao amin’ny la Rochelle i Jonathan Danty
Amin’izao ratra mahazo an’i Jonathan Danty, mpilalao rugby frantsay, izao dia nanavao indray ny fifanarahana tamin’ilay klioba La Rochelle Frantsa ny tenany. Araka ny vaovao hita omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Marihina fa efa nisy ny feo nandeha tany an-toerana fa hifindra hilalao any amin’ilay klioba iray tao Paris, renivohitr’i Frantsa, […]
Basikety – «Mondial U19» : ho mpifanandrina amin’ny Ankoay ny Bekintana
Firenena goavana maro no efa nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety lalaovina olona dimy, ho an’ny sokajy zandriny U19 lehilahy. Fihaonana hotanerahina any Debrecen Hongrie, ny 24 jona ka hatramin’ny 2 jolay 2023. Fantatra ary izao fa anisan’ireo efa tafita ihany koa ry zareo […]




