Mois : janvier 2023

Tsy misy ny marimaritra iraisana: hanolotra fifanarahana vaovao amin’ny QMM ny fanjakana

Ho tapitra amin’ny 18 febroary ho avy izao ny fe-potoana fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny QMM. Tsy nisy ny marimaritra iraisana ho an’ny tohiny, ka hanolotra fifanarahana vaovao mihitsy ny fanjakana malagasy. Natao ny taona 1998 ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa QMM. Namoa­hana ny lalàna 98-002 ity […]

Indray mijery

Miampy faritra efatra vaovao ireo misitraka ny te­tikasa Fafy manomboka amin’ity taona ity : Atsinanana, Androy, Atsimo Atsinanana, Anosy iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Nanomboka ny taona 2018, faritra sivy, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Analamanga, Bon­go­lava, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany Amoron’ i Ma­nia ary Itasy no nanatanterahana ny tetikasa. 600 ireo […]

Lafayette College Pennsylvania: nizara fahaiza-manao tamin’ny mpianatra malagasy

Nihaona tetsy amin’ny ma­soivoho amerikanina Andrano­mena, tamin’ity herinandro ity, ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Andohalo ankilany sy ny mpampianatra sy mpianatra amerikanina avy amin’ny La­fayette College Pennsylvania andaniny. Nifanakalo traikefa tamina sehatra marolafy izy ireo. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa Lafayette Initiative for Mala­gasy Education (LIME) ny fihaonan’ny roa tonta. Haha­ritra […]

Rotsak’orana : mitoetra ny fampitandremana ho an’Analamanga

Mbola arahi-maso ilay andian-drahona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, hoy ny fanazavan’ny teknisinina eny Ampandrianomby, omaly. Mitoetra ihany koa hatramin’ny anio ny fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsak’orana ho an’ny faritra Sofia, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Anala­man­ga. Hanelingelina ny asa andavanandron’ny rehetra izany satria mety hihena ny fahitana ho an’ny mpampiasa lalana, […]

CUA – Fokontany : miofana ireo mpikarakara ny kopia faobe

Nanomboka omaly ary mifarana anio ny fampiofanana ireo « agent communautaire » sy « chef secteur » miisa 520 eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Ampiofanina izy ireo mba tsy hanano sarotra ny fanentanana sy ny fanisana ary ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona te hisitraka ny kopia faobe […]