Mois : janvier 2023

Fivoriamben’ny Rugby Afrique : nahazo fanasana ho atsy Afrika Atsimo Rakotomalala Marcel

Anisan’ireo federasiona, hiatrika ny fivoriamben’ny Rugby Afrique ny Malagasy Rugby. Handray anjara mihitsy amin’ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ny kaonfederasiona afrikanina ho an’ny taom-piasana manaraka Rakotomalala Marcel. Hotanterahina ny asabotsy 18 marsa 2023, ao Cape Town Afrika Atsimo ny fivoriamben’ny ka­onfederasiona afrikanina ny rug­by (Rugby Afrique). An­isan’ ireo […]

Vaovao tambatra

Fanadiovana lakandrano, midika fanatsarana atao any amin’ny kaominina ambanivohitra Mandritsara, momba ny rano manondraka tanimbary sy karazam-boly hafa any an-toerana sy amin’ireo kaominina manodidina. Anisan’ny asa goavana ny fanadiovana ny lakandrano Sahatsindry, mirefy 8 km, ao amina fokontany iray, kaominina ambanivohitra Mandritsara. Nodiovina izany hitsinjovana ny fambolena ; eo koa ny fanamboarana […]

Chine-Madagasikara : nifampiresahana manokana ny varotra lavanila

Nifampiresaka ny 6 janoary 2023 teo teny Ambohidahy, ny misahana ny fandraharahana ao amin’ny masoivoho si­noa eto Madagasikara, Atoa Zhang Wei sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ny minisitry ny Indostria, varotra, sy fanjifana, Razafindravahy Ed­gard. Navoitran’ny minisitra tamin’io fihaonana io ny mam­palaza an’i Madagasi­kara amin’ny vokatra lavanila, ka mila hanaovana tolotra […]

Mpamily kamiao: tsy grevy fa fanairana no hatao

Fantatra fa hanao hetsika amin’ny alahady 15 janoary, ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), noho ny haratsian’ny lalana. Nomarihin’ny filohan’ny Vondron’ny mpitatitra matihanina any Atsinanana (GTPE) Alain, fa araka ny tatitry ny mpamily amin’izy ireo, intelo no nisy kamiao nivadika teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Marozava­vy, […]

Vary Tsinjo: amidy 650 Ar ny kapoaka

Nisantarana ny fanapariahana ny vary Tsinjo ny eto an-dRenivohitra, hitsinjovana ny maitsoahitra ary hahazo koa ny faritra hafa, raha ny filazan’ny minisiteran’ny Varotra. Mitobaka kosa ny vary eto an-toerana any Bongolava sy Atsimo Atsinanana. Milanja 60 taonina ny vary Tsinjo naparitaka any amin’ny fo­kontany miisa 54 ato anatin’ny kaominina Antananarivo […]