Mois : janvier 2023

Nisongadina tamin’ny Rap Gasy…: nodimandry i Tax Bouta, Rapadango

Niavaka tamin’ny soratra, ka nahazo ny fankatoavan’ireo namany “mpilalao rima” i Tax Bouta. Iray amin’ireo andrin’ny rap gasy izy, izao folaka an-dantony izao… Misaona ny tontolon’ ny zavakanto amin’ ny ankapobeny, sy ny fiakaviamben’ny mpiangaly rap gasy manontolo. Nodi­mandry omaly, Rafanome­zan­tsoa Iarisolo, fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe Tax Bouta. […]

Handray anjara mavitrika i Maroc

Tsy araka ny resaka nandeha tamin’ny herinandro lasa teo fa niala an-daharana ny Lionan’i Atlas Maroc, eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Fantatra izao fa efa tonga any Algérie izy ireo, ary nanambara ny fahavononany handray anjara sy […]

Handball – IHF Trophy U20 : hanainga ny asabotsy izao ny Akio Madagasikara

Taorian’ny fandresen’ny Akio Madagasikara lehilahy tamin’ny “IHF Trophy” faritra faha-7, ny volana novambra lasa teo, handeha hanainga ho any Congo Brazaville izy ireo ny asabotsy ho avy izao. Hiatrika ny fifaninanana antsoina hoe “IHF Continental Trophy U20” no anton-dian’ ny ekipam-pirenena malagasy ho any. Fifaninanana izay hatao ny 16 ka […]

Chan 2023 : navoakan’ny Caf ny «Marhaba”

Andro iray sisa, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”. Araka izany, navoakan’ ny Kaonfederasiona afrikanina taranja baolina kitra (Caf), ny “Marhaba”, anaran’ilay baolina ofisialy holalaovina mandritra izany. Vaovao izay navoakan’ny Caf tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. “Marhaba” izay midika amin’ny teny malagasy hoe “tongasoa”. Niainga tamin’ ny aingam-panahin’ny […]