Nanomboka, omaly alahady, ny ekipan’ny Jirama no nanolo ireo fitaovana bakoly « isolateurs », mitazona ny taribin-jiro, mampita ny herinaratra avy eny Ambohimanambola mankany Antsirabe ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Hanatsara ny tambajotra mpitsinjara herinaratra izany, hampihenana ny fahatapatapahan-jiro amin’iny zotra iny. Ankoatra izany, mandeha koa ny fanadiovana ny rano ao amin’ny […]
Mois : janvier 2023
Fambolen-kazo 2023 : velaran-tany 100 ha hatao anaty andro iray
Hatao ny 19 janoary ho avy izao any Seranandavitra, kaominina Ilaka-Est, distrika Vatomandry, ny taona fambolen-kazo 2023 eto Madagasikara. Lohahevitra raisina ny hoe «Izay mamboly hazo mamelon’ aina, izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara». Koa, tanjona ny hambolen-kazo ao anatin’ny velaran-tany 100 ha. Hampiasana fitaovana manaraka ny teknolojia «drône» mandritra […]
Ampanihy : sarotra hita izao ny osy « Angora »
Am-polo taona maro izao tsy ampy akora fototra hanaovana « tapis mohair » intsony, izay nampalaza azy tamin’ny taona 80 sy 90, ny any Ampanihy. Velon-taraina, noho izany, ireo mpanao asa tanana any an-toerana, ny antony miha tsy hita ny karazan’osy « Angora » fiompy hahazoana volony, izay lasa akora fototra lafo vidy ankehitriny. Maro […]
Faritra Atsinanana: maro ny zava-bita ho an’ny fampandrosoana
Amin’ny alalan’ny asa vita no hitsarana ny fandrosoan’ny faritra iray. Ho an’ny faritra Atsinanana, tena nifantohana ny any amin’ny kaominina ambanivohitra, notetezin’ny governora Rafidison Richard Théodore sy ny mpiara-miasa aminy. Mikasika ny lalana, saika nisitraka ny ampahany tamin’ny asa avokoa ny tao anatin’ny distrika fito hita ao amin’ny faritra Atsinanana. […]
Covid-19 : efatra marary manana fahasarotana
Nahatratra 393 ny olona nanaovana fitiliana teto Analamanga tao anatin’ny herinandro, nanomboka ny 31 desambra – 06 janoary teo. Miisa efatra ny tranga misy fahasarotana voatily tamin’io antontanisa io. Tsy nahitana olona maty raha ny tatitra voaray. 10 tamin’ireo, nahitana sy nitondra ny valan’aretina Covid-19. Olona niisa 10 hafa nahitana […]




