Hanomboka amin’ity fiandohan’ny taona ity ny fanentanana momba ny fitsipika mifehy ny fahadiovana, fahasalamana ary ny firindran’ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny na ny Code d’hygiène municipal (CHM) eto Antananarivo Renivohitra. Mamatsy vola manokana izao asa hatao izao ny tahiry manokana ho an’ny fampandrosoana. Hisy ny fiofanana momba ny fanentanana sy […]
Mois : janvier 2023
Vohoka mirindra : mila fiomanana ara-tsaina sy ara-batana
Maro ny aretina na ny fahasarotana mahazo ny vehivavy mitondra vohoka hatrany am-piterahana. “Mety hisy ra na lio mivoaka any amin’ny taovam-pananahany, mety hiakatra ny hafanany, fanina izy, mety ho mavo ny masony”, hoy Dr Rakotoarivony Manitra, talem-paritry ny fahasalamana Analamanga. Vahaolana hisorohana izany, ny fanatonana toeram-pitsaboana irery ihany. Tokony […]
Fanondranan’olona : tsy misongadina ny ady ataon’ i Madagasikara
Ity volana janoary ity no iray volan’ny ady atao amin’ny famarinan’olona na ny fanondranan’olona antsokosoko sy fanararaotana. Mbola lavitra ny ezaka ho an’i Madagasikara. Voalazan’ny tatitry ny masoivoho amerikanina fa tsy mahafeno ny fepetra faran’izay kely indrindra amin’ny fanafoanana ny fanondranana olona an-tsokosoko i Madagasikara. Misy ihany ny ezaka saingy […]
Mirado sy Reko Band : afa-po tamin’ny seho ny rehetra
Tontosa ny tolakandron’ny asabotsy 7 janoary 2023, teny amin’ny «Alliance Française d’Antananarivo» na AFT Andavamamba, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Mirado sy ny Reko Band. Seho tafiditra tao anatin’ny famaranana ny faha-75 taonan’ny AFT. Fahombiazana ho an’ny mpikarakara ary fahafaham-po ho an’ny mpankafy. «… tsy ho voafafa na oviana na […]
AFT Andavamamba : niampy ny foto-drafitrasa, manamarika ny faha-75
Hetsika maro no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny “Alliance Française» eto Antananarivo, na ny AFT. Tontosa ny asabotsy teo kosa ny lanonam-pamaranana ny fankalazana, tetsy Andavamamba. Nanamarika indrindra ny lanonana ny fitokanana ny trano vaovao, izay tsangambaton’ny fankalazana rahateo. Trano vaovao lehibe, ahitana efitra fianarana miisa 9 , […]




