“Sahirana isika hoe: iza no mpangalatra. Io ny mpangalatra efa hita, araka ny porofo. Io ny prefet fa tena mangalatra, ka mitokona ny vahoaka sy ny ben’ny Tanàna. Tsy afa-kiaraka intsony amin’ny mpangalatra izahay, ary tsy mandray baiko amin’ny mpangalatra toy izao”. Io ny fanambarana nataon’ ny governoran’ny faritra Bongolava, […]
Mois : janvier 2023
Fianakaviana lasa nanao fety… : kila hotohoton’ny afo ny trano
Trano miisa 12 indray kilan’ny afo tao Bemiditra, fokontany Ambalakazaha Avaratra, kaominina sy distrikan’i Manakara, afakomaly. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, fipoahanana herinaratra tao amina tokantrano iray nihidy no niantombohan’ny afo. Voalaza fa lasa nanao fety tany an-toeran-kafa ny tompon-trano sy ny fianakaviany, kanjo hotohoton’ny afo tanteraka ny trano. Vokany, […]
Governemanta… masaka
Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, tsy azo ihodivirana ny fanovana na fanamboarana ny governemanta? Ho hita eo… Governemanta masaka amin’ny resaka etsy sy eroa ny amin’izao? Indrindra taorian’ireny fanangonan-tsonian’ny depiote sasany hangatahana fanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireny… Na ny mpiray donak’afo aza, nisara-kevitra be ihany tamin’iny raharaha iny. Efa nilamina? Na […]
Ady tanimbary: notifirin’ny vinanto lahy ny rafozany
Tifitra vary raraka, fira famaky izany no nanjo ireto lahy antitra mirahalahy ny faran’ny herinandro lasa teo. Notafihan’ny vinantony izy ireo, noho ny disadisa momba ny tanimbary. Zava-doza no niseho tao Bevaho fokontany Ivolo, kaominina ambanivohitra Kotipa, distrikan’ Ivohibe, ny zoma teo. Niafara tamin’ny vono olona ny disadisam-pianakaviana tamina resaka […]
Polisy voaroba : lasan’ny jiolahy ny basiny sy ny vola 400.000 Ar
Nanao fanambarana tamin’ny PA Itremo ny polisy iray avy ao amin’ny kaomisaria Ambatofinandrahana, ny zoma 7 janoary teo, fa very ny basiny. Nirahan’ny lehibeny haka moto, navelan’ny kaomisera teo aloha, ao Mandrosonoro izy ny 06 janoary. Nitondra basy PA hiarovany tena eny andalana arak’izany io polisy io. Nifanehatra tampoka tamin’ny […]




