Mois : janvier 2023

Angovo azo havaozina : sady nohasarotina no mavesatra ny dingana arahina

Milaza ny filoham-pirenena fa hampirisihina ny mpandraharaha eto an-toerana hisehatra amin’ny famokarana na fandraharahana amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Toa mifanipaka amin’ izany anefa ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Angovo, manasarotra ny dingana arahina. Namoaka didim-panjakana (lah. 26766/2022) ny minisiteran’ny An­govo sy ny akoranafo, ny 10 oktobra 2022, mikasika ny […]

Raharaha fakana an-keriny: Olona 155 voasambotra tao anatin’ny herintaona

Mitotaly fito ny trangana fakana an-keriny voarain’ny zandarimaria avy amin’ny vondrom-tobim-paritr’Ime­rina “central” ny taona 2022. Tao anatin’izany, olona miisa 155 voasambotra raha olona miisa enina kosa no tra-tehaka tamina sarintsarina fakana an-keriny. Nihena kosa anefa ity trangana fakana an-keriny ity raha oharina tamin’ny taona 2021. Miisa 15 ny tranga voaray […]

Jly Rakotonirina Richard : «Mijoro ho tandroka aron’ny vozona hatrany ny Tafika Malagasy»

“Anjara andraikitra goavana andrasan’ny firenena amin’ny Foloalindahy amin’ ny fitandroana ny filaminana sy fanajana ny lalàm-panorenana amin’ny maha taona miavaka ity taona 2023 ity , noho izy taom-pifidianana”: hoy ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena (MDN), omaly, teny Ampahibe, nandritra ny fiarahabana tratry ny taona vaovao 2023. Nohamafisiny fa manana andraikitra lehibe […]

Halatr’omby : dahalo matin’ny fokonolona

Tratran’ny fokonolona ny dahalo iray nikasa hangalatr’omby tao amin’ny fokontany Fierena, kaominina Antam­bohobe, ny alin’ny voalohan’ ny taona teo. Teo am-pamoahana omby miisa enina ana tokantrano iray ity jiolahy ity no hitan’ny fokonolona ka raikitra ny fifanenjehana. Nanohitra sy niezaka ny handositra ity dahalo ka voatery namono azy ny fokonolona, […]

Fitsarana mitety vohitra : mangataka fampitaovana sy vola ny SMM

Miroso hatrany ny fitsarana mitety vohitra. Misedra olana eo am-panatanterahana izany anefa ireo mpitsara, amin’izao fotoana izao. Tsy afaka ny hangina. “Aleo mba jerena akaiky ilay izy, satria misy ny mpitsara sahirana ihany amin’ny fandehanana amin’ ireny toerana mitoka-monina ireny. Efa niteny hatrany izahay hoe tsy sakana”, hoy ny fanehoan-kevitry […]