Mois : janvier 2023

Fanadinana CEPE : hisokatra ny 23 janoary ny fisoratana anarana

Hiverina an-dakilasy ny alatsinainy ho avy izao, hanohy ny taom-pianarana anatin’ny roa volana fahatelo, ny mpianatra amin’ny ambaratonga telo eto Madagasikara. Hi­farana ny 24 febroary izany izay ialohavan’ny Andron’ny se­koly, ny 22 ka hatramin’ny 24 febroary. Mitsahatra ny fampianarana ny 25 febroary ka hatramin’ny 5 marsa. Mia­trika ny roa volana […]

Covid-19: namono olona roa tanatin’ny herinandro

Mbola misy olona 67 ma­rarin’ny Covid-19 eto Mada­gasikara, raha ny salanisa na­voakan’ny minisiteran’ny Fa­hasalamam-bahoaka, ny alatsinainy teo. Olona roa no namoy ny ainy ary olona roa hafa mbola marary mafy miady amin’ny fahafatesana. Tao anatin’ny herinandron’ny 24 ka hatramin’ny 30 desambra dia olona 15 vaovao no nahitana ny tsimokaretina coronavirus. […]

Fisotroan-dronono : hanomboka amin’ny herinandro ny fizarana

Efa nivoaka ny tetiandro fandraisana ny fisotroan-drononon’ireo zokiolona misitraka izany ho amin’ity volana janoary ity.Voakasiky ny te­tiandro ireo mandray eny amin’ny Perceptions Princi­pales, ny Trésorerie Muni­cipale d’Antananarivo (TMA) ny Trésorerie ministérielle char­gée de la fonction publi­que (TMINFOP) ary ny trésorerie principale inter-communale (TPIC). Hanomboka handray ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona […]

Campus ao Barikadimy : hanomboka anio ny fanamboarana

Ny 22 desambra lasa teo ny fanambarana  avy tamin’ny  “service des œuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Bari­kadimy, Toamasina fa tokony hiala ny trano misy azy ireo mpianatra rehetra tsy ankanavaka fa hisy fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa toy ny trano fonenana misy fahasimbana noho ny fahanterana sy vokatry ny fandorana nataon’ny mpianatra mitokona. […]

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: mitokona ny sendikan’ny mpiasan’ny DRH

Hitokona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana ny fikirakirana ny lafiny maha olona (DRH), eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mankasitraka ny fanalana ny taleny izy ireo. Nanomboka omaly, mitokona mandritry ny fo­toana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana misahana ny fikirakirana ny lafiny maha olona […]