Ho fanomanan’ny AC Sab-Nam, ny “Play-off” amin’ ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja baolina kitra vehivavy, hisy lalao iraisam-pirenena, hatrehin’izy ireo. Hifandona amin’ny «Rovers Mont-Fleury FC» avy atsy Seychelles, izy ireo, ny zoma 6 janoary ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium. Manana ny toerany ity ekipan’i Seychelles […]
Mois : janvier 2023
Fanatanjahantena 2023: laharam-pahamehana ny lalaon’ny Nosy
Hisongadina ho an’ity taona 2023 ity ny fampiantranoan’i Madagasikara ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Fihaonana hotanterahina ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Taranja miisa 14 no hifaninanana amin’izany, ka saika io aloha ny tena maha maika ny rehetra. Ankoatra izay, misy ihany koa […]
Rugby Frantsay : Siya Kolisi, hifindra ao amin’ny Racing 92
Hiova klioba ao amin’ny Racing 92 Frantsa, i Siya Kolisi, mpilalaon’i Afrika Atsimo. Fifindrana izay hotanterahina aorian’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby na “Mondial 2023”, izay hatao any Frantsa, ny 8 septambra hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao. 31 taona i Siya Kolisy, haharitra telo taona ny fifanarahana […]
Fifaninanam-paritra: hifantenana izay handrafitra ny Barea U-20
Ho fanomanana ny fandraisantsika anjara amin’ny fifaninanana « Cosafa U20- 2023 », hisy ny fifaninanana rezionaly U19 ho an’ireo faritra 22. Izany dia atao hitiliana ireo Barea kely sy mba hamerenana indray ny amboaram-paritra eto Madagasikara. Ho fiatrehan’i Madagasikara ny «Cosafa 2023», ho an’ny sokajy zandriny U20, hisy ny fifaninanana amboaram-paritra, ho […]
Miss University Africa: efa mandeha ny fifaninanana
Ny volana novambra 2022, no efa nanomboka ny fifaninanana tao amin’ny tambajotra sosialy. Tamin’ny alalan’ny fanohanana amin’ny sarin’ny mpifaninana no nisehoan’izany fifaninanana izany. Mandray anjara amin’ny “Miss University Africa” i Madagasikara. Misolo tena ny mpianatra avy amin’ny oniversite eto Madagasikara, amin’izao fifaninanana izao i Andriamoria Harikanto Morgane. Izy izay voafidy […]




