Mois : janvier 2023

Fotodrafitrasa ao Toamasina: efa vita ny ampahany voalohany amin’ny Miami

Miroso ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Anisan’ny efa misongadina ao Toamasina ny fotodrafitrasa hialana voly sy ho an’ny fanatajahantena ary koa ny natokana ho an’ny mpanao asa tanana. Efa vita ary natao ny alakamisy 29 desambra 2022 teo, ny fandraisana ara-teknika ny ampahany voalohany amin’ny tetikasa Miray hina ary mifankatia […]

Taona 2023 : manantena filaminana ny vahoaka

Taona vaovao 2023, ma­nantena fiainana tsara kokoa sy hiaina anaty filaminana ny ankamaroan’ny olona nanaovana fanadihadiana. Mba hahafahana miatrika am-pifaliana sy am-pitoniana ny asa, ny adidy ary ny andraikitry ny tsirairay. Fa irin’ny olona koa ny mba hisian’ny fivoaram-piainana sy fahasalamana ary fahombiazana eo anivon’ny tokantranony tsirairay avy. “Apetraka dieny […]

Covid-19 : mila mailo hatrany amin’ny fifampiharabana

Fotoanan’ny fivorivoriana sy ny fitangoronana ny volana janoary, hifamotoanan’ny mpi­anakavy sy ny fikambanana manao fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Mila mailo hatrany anefa satria mbola miparitaka eny amin’ny fiarahamonina ny aretina Covid-19. Mila hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny aretina. Anisan’ny tena saropady ireo ankizy madinika sy ny […]

May ny Bloc 15, Cité Vontovorona: mpianatra 50 traboina tsy manan-kialofana

Nitady vahaolana haingana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho an’ireo mpianatra traboina eny Vontovorona. 50 ireo tsy manan-kialofana ary nomena toerana vonjimaika. Naniraka avy hatrany ny mpiara-miasa aminy, ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Pr Assou­macou Elia Béatrice, nankeny Vontovorona, nanohana sy nampahery ireo […]