Mois : janvier 2023

Fetin’ny taom-baovao : vola 150 000 Ar mahery no lanin’ny tokantrano iray

Tapitra ny fetin’ny taom-baovao, maro ireo olona hita teny amin’ny toerana fitsangatsanganana, toy ny eny Analakely sy Antaninarenina. Araka ny fanadihadiana na­tao, ny 1 janoary lasa teo, nahatratra 150 000 ar mahery teo no lanin’ny fianakaviana iray nanaovana fety. Ireo tanora lahy sy vavy no saika hita nameno ny toeram-pivarotana. […]

Faritra Diana: mikatona ny jono Orita

Nanatanteraka ny fidinana ifotony, tany amin’ny fokontany Antanambao, Diana, ny 29 desambra lasa teo ny komity mpanara-maso, “Comité d’Orientation et Suivi” (COS). Araka izany, nisy ny tatitra vitsivitsy natao, ka nilazan’izy ireo tamin’ny mponina fa mikatona ny jono Orita, manomboka ny 1 janoary hatramin’ny 22 martsa 2023. Ary hiverina hikatona […]

Fanondranana jirofo : mitana ny lohalaharana i Madagasikara

Misahana ny 27%-n’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanondranana ny vokatra jirofo i Madagasikara, araka ny tatitry ny «Economic Development Board of Ma­dagascar» na ny (EDBM). Io tarehimarika io izay mametraka azy ho lohalarana amin’ireo firenena maneran-tany amin’ity seha-pihariana ity. Ho an’ny taona 2022, nampiditra hatramin’ny 224,7 tapitrisa dolara io vokatra io. […]

Fotodrafitrasa: ho vita ny volana jona ny RN44

Anatin’ny velirano, fampanantenan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, hotokanana afaka enim- bolana ny lalam-pirenena mampitohy an’i Moramanga sy Ambaton­drazaka. Nandritra ny lahatenin’ny filoha ny faran’ny taona teo, efa miroso tsikelikely amin’ny famitana io lalana io ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. «Hifarana tanteraka amin’ny volana jona 2023 ny asa fanamboarana», hoy ny filoha, ny […]

Eran-tany

Hamafisina ny fanofanana ireo mpitantana hotely any Rwanda amin’ny fahaizana mandray mpizahatany. Maro ireo Onivesite sy Ivontoerana mampanantena fari-pahaizana manokana momba ny fandraisam-bahiny. Nambara, ohatra, izay tokony hatao minitra vitsy alohan’ny ora fisakafoana sy fahatongavan’ireo vahiny. Tokony hahalala tsara izay tokony hataony ireo mpandray mpizahatany, hahafantaran’ireo vahiny tsara ny tokony […]