Anisan’ny ampandrosoana ny toekarena any amin’ny faritra Atsimo, Madagasikara amin’ny ankapobeny mihitsy ny fisian’ny seranan-tsambo Ehoala, any Taolagnaro. Seranan-tsambo goavana io mampiseho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rio Tinto, mpitrandraka fasimainty sy ny seranana ao Ehoala. Misy ihany koa ny andraikitry ny APMF (1) sy ny tetikasa PIC (2) 400 ha […]
Mois : janvier 2023
Madagasikara sy Chine : Betsaka ny fifanakalozana ara-barotra anatiny sy ivelany
Ny varotra ivelany manan-danja lehibe eto Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Firenena maharay harinkarena hatrany amin’ny 49 % , vola miditra avy amin’ny ladoany, hetra sy TVA avy amin’ny fanafarana entana raha ny fahitan’ny Banky iraisam-pirenena azy. Manana ny toerany ny varotra ivelany eto Madagasikara, firenena maharay ampahany betsaka avy […]
Fakafaka: Iza no ho « Mpanakanton’ny taona »?
Tsy ilay fifaninanana na fitsapana ny hevitry ny mpihaino radio na mpijery televiziona akory ny tian-kolazaina eto fa ireo izay hisongadina amin’ity taona vaovao 2023 ity. Iza ireo mpanakanto hahaforona zava-baovao ka hahasarika olona. Tsy voatery ho eo amin’ny tontolon’ny hira irery ihany koa fa rehefa mety ho zavakanto, tokony […]
Mifanimbazimba ny samy Malagasy: niteraka resabe ny zava-niseho teny Ambohimanga
Vao niatomboka andro vitsy ny taona 2023, nipoirana zava-mahavariana teny Ambohimanga, araka ny voalaza sy miparitaka be ao anaty tambajotran-tserasera. Voalaza fa nisy nametaveta ireo toerana manan-kasina. Niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera samihafa ny vaovao nilaza fa : «Fotoana manan-tantara ny andro androany 29 desambra teny Ambohimanga izay niarahana tamin’ny tobim-pifohazana […]
Namearison Robert : “Tsy fisehosehoana ny fambolen-kazo”
“Ny fambolen-kazo ataontsika hatramin’izay, toy ny hoe fisehosehoana fotsiny. Ny hazo maty no betsaka indrindra noho ny hazo velona. Manolo-kevitra izahay hoe: aoka izay ny fisehosehoana sy ny fizahozahoana”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Aoka mba ho fambolen-kazona tompon’andraikitra no atao. Homena andraikitra ny firaisamonina ifotony […]




