Mois : janvier 2023

Lalana: misokatra ny RN 6

Efa vita ny faran’ny herinandro teo, ny fivilian-dalana, nametrahana tetezana vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena RN 6, eo amin’ny PK 217+100 any Ambalavola Am­ba­lafa­minty, eo anelanelan’i Port Bergé sy Antsohihy. Mi­ve­rina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, satria efa azo ampiasaina ny fivilian-dalana, na­metrahana tetezana vonjimaika hafa. Mitohy ny asa fanamboarana. Efa manomboka […]

Fotodrafitrasa: ahin’ny mponina tsy ho vita ny RN 11 A

Nilaza ny filoham-pirenena, ny asabotsy 28 janoary teo tany Ilaka Atsinanana, Vatomandry fa hifantohana ny sosialim-bahoaka, ka miato ny fanamboarana fotodrafitrasa amin’ity taona 2023 ity. Niteraka ahiahy ho an’ny mponina any an-toerana izany, toa an’i Zafy Georges, mpandraharaha sady mpamboly sy mpiompy. «Ahoana izany ny lalam-pirenena RN 11 (Va­to­mandry- Mahanoro), […]

Base Toliara: «Nomen’Andriamanitra harena izahay », hoy ny Loholona Tsiebo Mahaleo

Naneho hevitra ny loholon’i Madagasikara, voafidy, Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Aminy, maro ny ezaka tokony hatao hampandrosoana an’i Toliara. « Niangaran’Andriamanitra izahay, nomeny tany lonaka, rano, harena ambanin’ny tany. Aminay, tsy manome zavatra hamono olona ny Mpahary, ka isan’izany ny fasimainty tokony hotrandrahin’ny orinasa Base Toliara ». Notsorin’ny loholona Tsiebo Mahaleo, fa […]

Fomba fiasa : voakiana mafy ny Ceni

“Toy ny manao fanahy iniana, angamba, ny Ceni. Tsy mety ny fomba anaovana ny fanisana mpifidy. Nilaza ny Ceni fa mankany amin’ny fokontany. Nefa tsy izay amiko no tokony hanaovana fanisana mpifidy. Tsy vita mandra-pahatonga ny 31 janoary izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy […]

Fanatsarana ny taham-pamokarana: tantsaha sy teknisianina miisa 30 hiofana any Zimbabwe

Mifandray amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Nandray ireo tan­tsaha, teknisianina sy injenera ary mpampiofana miisa 30 mianadahy hihazo atsy Zim­ba­boe ny filoha Rajoelina Andry, ny alahady teo. Hiofana manokana mo­mba ny fambolena miaraka amin’ny “Foundation for farming” izy ireo izao notsofina rano teny amin’ny Lapan’ Iavoloha izao. Mifanindran-dalana amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana mba […]