Mois : janvier 2023

Saka beloha

Vita izay ny fety ! Fotoanan’ny asa avy hatrany isika. Na eny anivon’ny tokantrano na amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Tsy maintsy mandroso isika, na inona na inona sakana. Tsy misy afaka ny hihalangalana satria adidin’ny olom-pirenena tsirairay no miahy ny ankohonany sy mitondra ny anjara birikiny ho an’ity tanindrazana iaraha-manana ity. […]

Tselatra

Zazamena vao valo volana efa tsy nisy aina intsony no hita tao anaty rano maloto tetsy Anjanahary omaly taorian’iny oram-be nikija iny. Natsingevan’ny rano izany ka hitan’ireo mponina teny an-toerana. Tsy fantatra hatreto izay olona ninia nanao ity habibiana ity. Marihina fa melohin’ny lalàna velona ny zavatra toy izao.

Zava-mahadomelina : vehivavy iray nahatrarana “rôrô” 30 fonosana

Saron’ny polisim-pirenena, ny zoma teo, ny ramatoa iray mpivarotra rongony ma­hery vaika “rôrô”, etsy Anto­homadinika. Isan’ireo mpamatsy io zava-mahadomelina io eny an-toerana ny tenany ka nanaovan’ny polisy bemidina avy hatrany. Tratra tao amin’ilay trano voalaza tokoa izy ary mbola nahitana fonosana “rôrô” 30 isa. Miandahy miambavy ny mpanjifa ity zava-mahadomelina […]

Fampitandreman’ny polisy : tsy nahasakana ny asan-jiolahy

Mahita irika ihany! Na teo aza ny fampitandremana na­taon’ny polisy tamin’ny alalan’ny kaomanidin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nandritra ny fankalazana ny fety teo. Tsy nisy fiantraikany fa vao mainka nanao ny na­taony ny jiolahy tao Toa­ma­sina. Nirongatra izay tsiizy, ny asan-jiolahy tao amin’ny fo­kontany Analankinina Ho­pita­libe, Toamasina sy Valpinson, […]