Anisan’ny miandry avy hatrany ny “Nonce apostolique” vaovao, ny Mgr Tomasz Grysa ny fametrahana ny mompera Randriamalala Donatien Francis ho evekan’ Ambanja. Hatao ny 15 janoary ho avy izao izany. Efa nigadona, afakomaly, eto Madagasikara, ity solontenan’i Vatikana eto amintsika ity. Mbola hihaona amin’ireo mpitondra fanjakana, tahaka ny fanaon’ireo masoivoho […]
Mois : janvier 2023
Depiote Voninahitsy Jean-Eugène : “Ilaina ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”
“Tiako ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Mampitombo ny isan’ny mpifidy io”, hoy ny depiote voafidy tany Morafenobe tamin’ny anaran’ny RPSD Vaovao, i Voninahitsy Jean-Eugene. Satria araka ny fomba fitenin’ny olona hoe tsy mivaky loha amin’iny faritra misy an-dry zareo iny ny fitondrana nifandimby […]
Fahalasan’ny Papa Benoît XVI : naneho fiaraha-miory ny mpitondra sy mpanao politika
Naneho ny fiaraha-miombona alahelo amin’ireo mpino katolika eto Madagasikara sy ny maneran-tany ny filoha Rajoelina Andry. “Tamin’alahelo lehibe tokoa no nandrenesako fa nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Papa Benoît XVI. Handry am-piadanana anie ny fanahiny”, hoy izy. Miondrika am-panajana manoloana ny fahalasanan’ny Papa Ray Masina, i Benoît XVI koa […]
Filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc: “Naka lesona tamin’ny lasa isika ary efa niova…”
Nifampiarahaba noho ny taona vaovao, teny Faravohitra, ny mpikatroka Tim. Nitodihan’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc tamin’ny lahateniny ny lasa sy ny hiatrehana ny ho avy. “Naka lesona tamin’ny nitranga hatramin’izay isika. Efa niova aho ary mahafantatra ny ataoko. Tsy ho azo ambakaina intsony fa hafa ny toy ny tamin’ny 2018”, […]
Taom-pifidianana ny 2023 : mila ary itakiana fitoniana tanteraka
Fifidianana no hibahan-toerana eo amin’ny tontolo politika sy ny fainam-pirenena ankapobeny amin’izao taona 2023 izao; eny, na any amin’ny faramparan’ny taona aza izany. Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana tanteraka izao. Hanao ahoana? Laingalainga, toa mila ho raiki-tampisaka amin’ny mpanao politika sasany ny fanahiana sy fahatahorana krizy politika mialoha […]




