Mois : janvier 2023

« Fonds souverain malagasy » : hitrandrahana ny harena eto an-toerana

Tsiahivina fa lany teo anivon’ny Antenimieran­doho­lo­na ny lalàna « Fonds souverain malagasy », natao indrindra hanomezan-danja ny sehatra rehetra eto Madagasikara. Trandrahina izay azo atao rehetra mba tsy hiankinan-doha any ivelany, na ao anatin’ny fanatontoloana aza ny toekarena eran-tany, araka ny nambaran’ireo loholona mom­ba ity tahiry ity. Araka izany, avy amin’io «Fonds […]

Boeny : mpanjono maro be nahazo « kit de sécurité »

Mitohy hatrany ny hetsika fizarana fitaovana, ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga. Notanterahina tany amin’ny faritra Boeny, ny fizarana fitaovam-piarovana an-dranomasina na “kit de sécurité en mer”. Nahazo ny anjarany ny mpanjono miisa 100, tao amin’ny fokontanin’i Antsohery. Hetsika izay no­tontosain’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga […]

Ambatovy: nanome rano fisotro madio

Noho ny tetikasa iray no­vatsian’Ambatovy vola 212 tapitrisa ariary mahery. Mpo­nina 450 mahery avy amina tokantrano 101 monina ao amin’ny vohitra enina manodidina ny toeram-pitrandra­han’Ambatovy, ao Mora­man­ga no misitraka rano fisotro madio ankehitriny. Nametra­ha­na paompy folo tao amin’ny tanànan’Ampielemana, An­­kazotokana, Ambato­main-ty, Ampangadiatrandraka, Be­hontsa ary Berano. Natao ny 15 desambra 2022 […]

vidim-piainana: antony avy any ivelany no mampidangana azy

Namoaka ny vinavinany ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola momba ny fiakaran’ny vidim-piainana tamin’ny volana jiona 2022. Taorian’ny fandanian’ny depiote ny tetibolam-panjakana 2022 nasiam-panitsiana no nivoahan’izany. Manamafy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola fa noho ny antony avy any ivelany no tena nampidangana ny vidim-piainana. Izany dia noho i Madagasi­kara […]

Indray mijery

Tomefy olona ny teny Analakely omaly alahady voalohan’ny volana janoary. Saika ambohi-pihaonan’ny maro nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao teny an-toerana. Nifanitsa-kitro ny mpivarotra kilalao sy ny mpividy. Nahitana fianakaviana iray manontolo tonga nitsangatsangana teny Analakely, faly amin’ny fiarahana noho ny taona vaovao. Nifamotoana teny Ambohijatovo ihany koa ny sasany nisitraka […]